• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Consoglobe
Image
DYI

Vokatra natoraly hikarakarana ny volo vakivaky

05/12/2023 16:12 © Moov.Mg

Samy mety efa sendran’izany volo vakivavy izany avokoa angamba na ny vehivavy na ny lehilahy manalava volo. Ny fanapahana ny loham-bolo tapatapaka no fomba mahomby indrindra hanesorana azy ireny. Azo atao ihany koa nefa ny miaro ny volo tsy ho vakivaky sy hikarakarana azy amin’ny fampiasana ity vokatra natoraly azo amboarina ao an-trano ity.

Ireo akora ilaina

–Menaka voanio na diloilo coco tsy mitapoka ;
–Ditin’ny vahona.

Fomba fanamboarana ilay vokatra natoraly miaro ny volo tsy ho vakivaky

Atao anaty « bol » kely ny menaka voanio tsy mitapoka roa sotrokely. Tsara raha somary matevina ilay menaka fa tsy ilay mitsiranoka be loatra ireny. Mora ampiasaina kokoa izy rehefa somary matevina toy ny « pommade ».
Afangaro amin’ny ditin’ny vahona iray sotro fihinanana. Aroharoina tsara mba hifangaro tsara ireo akora ireo. Tsara raha mampiasa ilay hazo kely toy ny amin’ny « esquimaux » ireny rehefa manaroharo azy. Afindra anaty fitoerana toy ny « bocal » kely misarona ary azo tehirizina herinandro anaty vata fampangatsiahana.

Ny fomba fampiasana azy

Sasana madio tsara ny volo ary avela ho maimaina. Izany hoe tsy endrasana ho maina be loatra. Maka amin’ilay vokatra natoraly nokarakaraina teo ary somary hafanaina amin’ny felan-tanana mba somary hitsonika sy ho mora ahositra amin’ny volo. Ny lohan’ny volo sy ny halavany ihany no hosorana fa tsy atao tratra ny foton’ny volo sy ny hodi-doha. Tsy azo atao be fanosotra satria lasa « gras » be loatra indray ny volo. Atao indray mandeha isan-kerinandro, indrindra rehefa ririnina.

Lire la suite

Articles Similaires