• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Petits Bidons
Image
DYI

Fikafika fanesorana tasy sy fanadiovana ny lamba hadio tsara

04/12/2023 09:06 © Moov.Mg

Olana amin’ny andavanandro anisan’ireo mampiferotr’aina tokoa ny tasy amin’ny lamba sarotra esorina na tsy mety afaka. Misy karazany maro moa ireo zavatra mampisy tasy ny lamba ary tsy voatery hitovy ny fanalana azy ireny. Araho ary ireo fikafika azo ampiharina mba hanesorana ireo tasy sarotra esorina.

Fomba fanalana tasy vokatry ny divay, kafe, pipian-tsaka, voankazo

Ny vinaigitra fotsy no akora mandaitra indrindra anesorana ny tasy vokatry ny kafe, divay, pipian-tsaka na voankazo. Lomana kely anaty koveta misy rano ary vinaigitra fotsy ny lamba. Avy eo kosehina ilay tasy ary kobanina haingana amin’ny rano matimaty. Aorian’izay vao sasana amin’ny savony toy ny mahazatra.

Fomba fanesorana tasy vokatry ny arafesina, voatabia, hatsembohana

Ny ranona voasarimakirana no isan’ireo akora natoraly azo ampiasaina hanalana ireo karazana vokatry ny voatabia, arafesina na hatsembohana. Alaina ny voasary makirana 1 na 2 dia potserina hangalana ny ranony. Mampangotraka rano tapaky ny kaopy dia arotsaka ao ilay ranona voasary makirana ary asiana sira kely. Io fangaro io no ampiasaina hikosehana ny lamba misy tasy. Lomana kely anaty koveta vao kobanina amin’ny rano mangatsiaka. Sady afaka ny tasy no afaka ny fofona vokatry ny hatsembohana.

Ny fikafika fanalana tasy vokatry ny menaka, rà, saosy voatabia, divay

Anisan’ireo akora fampiasa amin’ny fanadiovana ireo fitaovana ao an-tokantrano ny karibonetra. Azo ampiasaina ihany koa izy io mba hanalana ny tasy amin’ny lamba vokatry ny menaka, rà, divay, saosy voatabia… Mandaitra amin’ny karazana lamba rehetra ity akora ity, na ny manify na ny matevina. Alaina ny karibonetra ary araraka eo amin’ny faritra misy tasy. Avela hiasa kely eo mandritra ny minitra vitsivitsy avy eo sasana toy ny mahazatra ny lamba. Somary kosehina ny faritra misy tasy mba ho afaka tsara dia avy eo kobanina.

Lire la suite

Articles Similaires