• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ornikar
Image
DYI

Ireo antony tsy anaovana tsirambina ny « entretien » ny fiara

01/12/2023 09:27 © Moov.Mg

« Harena mandany harena ny fiara » hoy isika Malagasy. Mila vola tokoa ny fanaovana « entretien » na ny fikojakojana azy ireny. Matetika nefa isika rehefa mahita fa mbola mandeha tsara ilay fiara dia tsy mahafoy vola sy fotoana hikojakojana azy. Fa inona tokoa ny antony tsy anaovana tsirambina ny « entretien » ny fiara ?

Misoroka ny fahasimbana

Ny fanaovana « entretien » ara-dalàna ny fiara dia manampy betsaka amin’ny fisorohana ny fahasimbany. Atao « révisions » ara-potoana avokoa ireo « pièces » miasa be amin’ny fiara mba ampaharitra azy ireny sy hanao ny asany tsara hatrany. Toe-javatra isan’ny manahirana tokoa ny hoe maty na tsy velona tampoka eny an-dalana ny fiara. Ankoatra ny fahasahiranana aterak’izany dia mety handany vola misimisy ihany koa ny fanamboarana azy.

Mampitombo ny « sécurité » ny mpampiasa ny fiara

Maro ny lozam-pifamoivozana mitranga noho ny fahasimbana na tsy fahatomomban’ny fiara. Mba isorohana ireny karazana loza ireny dia tsy azo atao tsirambina ny « entretien » na ny fikojakojana ny fiara. Marihana fa rehefa ela niasa ireo « pièces » amin’ny fiara dia miha tsy miasa tsara intsony na simba mihintsy. Mety mitarika tsy fahatomombanana amin’ny hisatra, fiodinana sy ny « sécurité » ny fiara izany. Rehefa atao « entretien » tsara ity farany dia hita ireo « pièces » mila soloina sy ireo tsy fahatomombanana mila amboarina aminy.

Mampihena ny fandaniam-bola amin’ny fanamboarana

Matetika dia lafo kokoa ny manamboatra ny fiara simba raha oharina amin’ny fanaovana « entretien » azy. Miankina betsaka amin’ilay fahasimbana moa izany fa raha toa ka ratsy fikojana ny fiara dia mety miafara amin’ny fahasimban’ny hain-dehibeny, toy ny motera, izany. Amin’ny voalohany dia mety « pièces » tsotsotra sy tsy lafo vidy no tokony amboarina na soloina. Raha toa ka tsy norarahiana izany « pièces » izany dia mety hanimba ny « pièces » hafa mifandray na manodidina azy ary mihitatra hatrany izany fahasimbana izany. Raha izay no mitranga dia ho lafo tokoa ny vola ilaina amin’ny fanamboarana sy ny fanorenana ny simba.

Lire la suite

Articles Similaires