• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hop Dans Le Wok
Image
DYI

Fomba fanamboarana paty ao an-trano

29/11/2023 09:34 © Moov.Mg

Efa ho avy ny fety krismasy sy ny faran’ny taona ka efa manomboka mieritreritra ny sakafo sy tsakitsaky karakaraina amin’izany ny mpianakavy. Ho an’ireo mankafy paty dia azo antoka amin’ny lafiny ara-pahasalamana kokoa ny manamboatra azy ireny ao an-trano. Araho eto ary ny fomba tsotra fanamboarana paty na lay ataontsika hoe paty gasy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao paty gasy

-Lafarina 1 kapoaka ;
-Menaka 2 sotrokely ;
-Siramamy 1 tsongo ;
-Sira antsasaky ny sotrokely ;
-Atody 2.

Ny fomba fikarakarana azy

Atao ao anaty koveta kely ny akora rehetra ary afangaro amin’ny tanana madio izy rehetra. Volavolaina tsara avadibadika sy atambatra mandritra ny 10 minitra. Torotoroina tsara amin’ny vodi-felatanana mba hifangaro tsara. Afaka atao eo ambony latabatra madio ny famolavolana ny paty mba hitambatra tsara.
Rehefa vita izay dia fonosina « sachet » na « film alimentaire » ny paty ary avela hilona mandritra ny adiny 1 hatramin’ny adiny 4. Fehezina mafy tsara ilay fonosana ary tsy atao misy rivotra tafiditra. Mila atao madio tsara avokoa ny fitaona nampiasaina : tanana, latabatra, koveta… satria manjary mora masiso ilay paty raha sanatria nisy loto.
Aso soloina rano tsotra, ron-kena na rony avy amin’ny « crevettes » avy notatavanina ny atody (atao fatra mitovy) mba hahazoana tsiro hafa. Tsy voatery asiana menaka, sira sy siramamy ihany koa. Raha te hanisy tsiro hafa dia afaka mampiasa « épices » izay tiana.
Rehefa avy nalona ny paty dia averina volavolaina sy kosikosehina amin’ny tanana mandritra ny 2 minitra. Zaraina 2 mitovy ary averina anaty fonosana ny iray. Ny ilany antsasany kosa dia fisahana manify amin’ny « rouleau » hazo. Aorian’izay dia rarahana lafarina kely ny paty dia ahodina ao anaty « machine » mba ho malama tsara. Avy eo avalona 2 indray dia averina anaty « machine ». Averina hatrany izany ary rehefa malama tsara dia fisahana ao anaty « machine » arak’izay hatevina tadiavina.
Rehefa vita izay dia alefa ao anaty « machine » farany mba ho voatetika lavalava, hahazo ny paozina paty gasy mahazatra ireny. Averina rarahana lafarina ireo paty voatetika lavalava ary arotsaka ao anaty rano mangotraka mandritra ny 2 minitra. Avy eo tsihifina dia atao mandalo rano mangatsiaka indray. Aorian’izay dia atao anaty « passoire » mba hitsika tsara ny rano. Rehefa maina tsara dia vita ny paty gasy. Afaka ampiasaina avy hatrany hanaovana ny nahandro tiana, toy ny lasopy, « misao »… Azo tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 2 andro.

Lire la suite

Articles Similaires