• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santeplusmag
Image
DYI

Fomba fanamboarana vovon-tsavony

28/11/2023 13:50 © Moov.Mg

Vokatra iray tena ilaina amin’ny andavanandro ny vovon-tsavony. Toy ny ankamaroan’ireo zavatra hita eny an-tsena nefa dia niakatra ihany koa ny vidin’izy ireny. Atoro eto ary ny fomba fanamboarana vovon-tsavony ho an’ireo maniry hanamboatra izany ao an-trano.

Ireo akora ilaina

-Menaka diloilo (huile coco) na « huile de palmiste » 6 litatra ;
-« Soude caustique » 1kg ;
-Rano 3 litatra ;
-Karibonetra na « carbonate de soude » 100g ;
-« Tripolyphosphate de soude » na « phosphate trisodique » 500g ;
-« Acide sulfonique » 120 ml ;
-« Perborate de soude » 10g ;
-« Eau oxygénée » 250ml ;
-« Parfum » izay tiana 70ml (azo atao mihoatra ny fatra).

Ny fomba fikarakarana ny vovon-tsavony

Lanjaina ny akora rehetra. Atao ao anaty koveta na « seau » ny rano. Arotsaka tsikelikely ao ny « soude caustique » dia aroharoina mba hifangaro tsara. Rehefa mahazo hafanana 45° C hatramin’ny 55° C ny fangaro dia arotsaka ny menaka diloilo, ny karibonetra, ny « phosphate trisodique » ary ny « perborate de soude ». Afangaro tsara ireo rehetra ireo ary tsy azo avadika mihitsy ny fiodin’ny tanana manaroharo azy. Tohizana mandritra ny 45 minitra na 1 ora eo ny fanafangaroana azy vao ajanona.
Manarak’izay dia arotsaka ny « acide salonique » sy ny « parfum ». Aroharoina indray mba hifangaro tsara. 10 minitra aorian’izay dia arotsaka ao ny « eau oxygénée ». Lasa miha fotsy ny paty ary mitombo. Aorinan'ny fandrotsahana an'ireo akora ireo dia afangaro hatrany ny paty mandritra ny 2 minitra eo ho eo.
Rehefa vita izay dia alaina ny lasitra (moule) ary asiana « sachet » ao anatiny mba ho atao lafiky ny paty ho atao ao anatiny. Arotsaka ao ary ilay paty ary avela hilona ao mandritra ny 3 hatramin’ny 6 andro. Tsy saromana ilay paty ary atao amin’ny toerana maloka. Avadibadika isan’andro mba ho maina. Rehefa maina tsara dia tatavanina amin’ny « tamis » vy na totoina amin’ny « broyeur » mba ahazoana ny vovon-tsavony.

Lire la suite

Articles Similaires