• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medisite
Image
DYI

Fomba fanamboarana « gel hydroalcoolique » ao an-trano

27/11/2023 16:12 © Moov.Mg

Efa manomboka manangasanga sahady indray ireo valan’aretina samihafa mpitranga mandritra ny vaninandro fahavaratra. Anisan’ny vokatra ilaintsika amin’ny fiadiana amin’ny mikraoba avy amin’ny loto ny « gel hydroalcoolique ». Atoro eto ary ny akora ilaina sy ny fomba fanamboarana « gel hydroalcoolique » ho an’ireo liana amin’izany.

Ireo akora ilay raha hanamboatra « gel hydroalcoolique »

-Alikaola 90° na 70° vidiana eny amin’ny farmasia ;
-« Glycérine » 10cl na dintina vahona 10 cl izay karazana « glycérine » natoraly ;
-Menaka azo avy amin’ny zava-maniry toy ny “amande douce”, oliva na izay misy 1 sotrokely ;
-« Huile essentielle tea tree » na « huile essentielle ravintsara » intelo mitete.

Fomba fikarakarana azy

Maka lovia jobo vita amin’ny vera sy misy fatra (mesurette) ary arotsaka ao ireo akora rehetra dia ny alikaola, ny dintina vahona na « glycérine », ny menaka azo avy amin’ny zava-maniry 1 sotrokely ary ny « huile essentielle » intelo mitete. Afangaroina amin’ny alalan’ny « spatule » vita amin’ny hazo sy madio tsara. Aroharoina tsara mba hifangaro ao tsara ny akora rehetra.
Rehefa vita izay dia arotsaka ao anatin’ny fitoerana hitahirizana azy. Tandremana mba ho fitoerana vita amin’ny vera sy efa voadio no asiana ny « gel hydroalcoolique » namboarina tao an-trano io. Ahontsana tsara isaky ny hampiasa azy. Apetraka amin’ny toerana mangatsitsiaka sy tsy azon’ny hain’andro.

Lire la suite

Articles Similaires