• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polyvore
Image
DYI

Fomba fanamboarana vokatra natoraly fikarakarana ny hodi-tava

22/11/2023 15:44 © Moov.Mg

Tsy voatery mividy ireo vokatra lafo vidy eny amin’ny farmasia na eny amin’ireny tranombarotra lehibe ireny vao afaka mikarakara sy mikolokolo ny hodi-tava. Azo atao tsara ny mampiasa vokatra natoraly ao an-trano. Vokatra iray manadio sy manazava ny tarehy no andeha ary amboarina.

Ireo zavatra ilaina

-« Yaourt nature » na « yaourt » tsy misy siramamy ;
-Ovy ;
-Ranona voasary makirana (raha mahazaka ny hoditra).

Fomba fanaovana azy

Voasana ary sasana tsara ny ovy. Avy eo kikisana madinika. Maka ovy voakiky 2 sotro kely ary afangaro amin’ny « yaourt nature » 2 sotro kely ihany koa. Izany hoe atao mitovy fatra ny ovy voakiky sy ny « yaourt nature » ampiasaina. Raha mahazaka ny hoditra dia ampiana ranona voasary makirana 1 sotrokely ny fangaro. Tsy mampiasa ilay ranona voasary makirana raha toa ka manana « peau sensible », izany hoe mora misy mony, mora mangidihidy, mora mivaramena na maina be ny hodi-tava.

Fomba fampiasaina ny vokatra

Diovina tsara ny tarehy ary endrasana ho maina. Hosorana ilay vokatra natoraly namboarina io ary avela hilona mandritra ny 15 hatramin’ny 20 minitra. Rehefa vita izay dia kobanina amin’ny rano matimaty, avy eo faranana amin’ny rano mangatsiaka.
Rehefa alina alohan’ny atory no tsara anaovana ity fikarakarana ny hoditra ity. Atao in-droa na in-telo isan-kerinandro mba ahazoana vokatra tsara. Raha toa ka mampiasa ilay ranona voasary makirana dia tandremana mba tsy ho tratry ny masoandro ny tarehy. Mila manao satroka na mampiasa « écran solaire » rehefa mivoaka ny trano.
Maro ireo tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ity vokatra natoraly ity. Anisan’izany ny fanalana ny tasy sy ny fanazavana ny hodi-tava. Manamandina ary mampitony ny hoditra ihany koa moa izy ity. Mazava ho azy fa manamboatra fangaro vaovao isan’andro fa tsy mety tehirizina izany. Ny ambin’ny « yaourt nature » efa nisokatra kosa azo tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny telo andro ka azo ampiasaina hatrany mandritra izany.

Lire la suite

Articles Similaires