• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Decodambiance
Image
DYI

Fomba tsotra fanamboarana « liquide vaisselle » ao an-trano

15/11/2023 16:56 © Moov.Mg

Ny « liquide vaisselle » no karazana savony mandaitra kokoa rehefa manasa lovia. Maro karazana moa ireo vokatra efa vonona amidy eny an-tsena. Azo atao ihany koa ny manamboatra « liquide vaisselle » ao an-trano ho an’ireo maniry hanao izany.

Ireo akora ilaina raha hanao « liquide vaisselle »

-Rano mangotraka 0,8L ;
-Savony tsy misy fofona voakiky 50g ;
-Karibonetra 1 sotro fihinanana ;
-Vinaigre d’alcool 1 sotro fihinanana ;
-Cristaux de soude 1 sotro fihinanana ;
-Huile essentielle in-droa mitete (azo tsy asiana)

Fomba fanamboarana azy

Arotsaka ao anaty koveta ny savony voakiky sy ny rano mangotraka. Avela ho levona ny savony. Arotsaka ao ny karibonetra, ny vinaigre d’alcool sy ny cristaux de soude. Mety hanaikitra ny cristaux de soude ka mila mampiasa « gants » ary arovana amin’ny « écharpe » ny orona sy ny vava rehefa mampiasa izany.
Avela hipetraka kely amin’ny rivotra eo ny fangaro mandritra ny ora maro. Mivadika ho lasa karazana « pâte » ny fangaro. Tapohana rano kely ary aroharoina tsara mba hiverina hitsiranoka indray. Arotsaka ao ny « huiles essentielles ». Rehefa vita dia araraka ao anatin’ny tavoahangy hitehirizana azy.

Lire la suite

Articles Similaires