• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aufeminin.Com
Image
DYI

Ny fomba fanamboarana menaka zavoka ao an-trano

13/11/2023 16:46 © Moov.Mg

Efa norasehina teto ireo vokatsoa maro ara-pahasalamana azo avy amin’ny fihinana zavoka. Manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny vatana sy ny volo ihany koa ity farany. Ny menaka zavoka moa no vokatra fampiasa indrindra amin’izany fikarakarana ny vatana sy ny volo izany. Araho ary ny fomba fanamboarana izany ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao menaka zavoka

-Zavoka masaka tsara;
-« plateau » ;
-lamba voaly ;
-masoandro ;
-tavoahangy na « bocal » ;

Ahoana ny fomba fikarakarana azy ?

Voasana ny zavoka masaka tsara ary dia potserina atao malemy tsara. Avy eo, atao ambony « plateau » ary fisahana atao manify dia manify mba ho mora ampiasaina.
Atanina amin' ny hainandro mandritra ny 45 minitra. Tsy atao mihoatra izay faharetany izay mba tsy ho lasa maina loatra.
Vita izay dia kikisana satria somary miraikitra amin’ilay plateau ilay zavoka natapy masoandro. manarak’izay dia atao anaty voaly manify ary fihazana tsara farak’izay mafy mba hitsonika ny menaka zavoka.
Rehefa azo ilay menaka zavoka dia atao anato tavoahangy na « bocal » afaka misarona. Azo ampiasaina hanaovana « bain d’huile » ny volo na hanamandinana ny hoditra ity menaka zavoka vita amin’ny fomba natoraly ity.

Lire la suite

Articles Similaires