• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Merveilles D'Abeilles
Image
DYI

Fanamboarana labozia amin’ny alalan’ny papiny na « cire d’abeille »

12/11/2023 14:27 © Moov.Mg

Maro ny fomba fanamboarana labozia ary anisan’ny azo atao ao an-trano ny fampiasana papiny na « cire d’abeille ». Azo vidiana eny an-tsena eny na eny amin’ny mpiompy tantely ny papiny mba havitana labozia manazava sy tsara fofona. Araho ary ny fomba fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina

-Papiny na « cire d’abeille » ;
-Lahan’ny labozia ;
-Lasitra.

Fomba fanaovana azy

Atangana eo afovoan’ny lasitra ny lahan’ny labozia. Fatorana amin’ny hazo kely mibahana eo amin’ny vavan’ny lasitra ilay lahany mba hitazomana azy tsy hilatsaka ao ambany.
Tetehana somary lebebe ny papiny ary atao anaty vilany. Hataingina eo ambony afo mba hitsonika. Araha-maso tsara ny hafanan’ilay papiny hatsonika ka rehefa tonga 70°C dia vita izy izay. Raha mangatsiaka loatra dia tsy mitsiranoka tsara ary raha mamay loatra dia lasa miraikitra amin’ny lasitra.
Rehefa vita izay dia arotsaka ao anatin’ny lasitra ny pepiny natsonika. Endrasana mangatsiaka izany mba hivaingana ka hivadika labozia. Raha kely ny lasitra ampiasaina dia mety adiny 2 ora dia vita ny labozia. Mety maharitra iray andro tontolo kosa izany raha toa ka lehibe ny lasitra. Rehefa mivaingana tsara dia esorina moramora ao anaty lasitra.

Lire la suite

Articles Similaires