• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bioaddict
Image
DYI

Fomba fanamboarana menaka karaoty

09/11/2023 15:10 © Moov.Mg

Maro ny vokatsoa azo avy amin’ny fampiasana menaka karaoty na « huile de carotte », indrindra amin’ny fikolokoloana ny volo. Ny menaka karaoty tokoa dia mahasalama ny volo ary manampy betsaka ireo izay maniry hanalava, hampatevina na koa hampangirana volo noho izy manankarena vitamina maro sy « antioxydant ». Araho eto ary ny fanaovana menaka karaoty.

Ireo zavatra ilaina raha hanao menaka karaoty

-karaoty lehibe 2 ;
-diloilo coco tsy mitapoka.

Fomba fanaovana azy

Voasana ny karaoty ary sasana madio tsara. Rehefa vita izay dia fafana tsara amin’ny lamba ary atao maina tsara tsy misy mando intsony. Manarak’izay dia kikisana ny karaoty.
Ataingina eo ambony afo malefaka ny vilany ary arotsaka ao ny diloilo coco tsy mitapoka (pure). Tsy atao be loatra nefa tsy atao kely loatra ihany koa ilay diloilo. Tokony eo amin’ny 1 sotrokely sy tapany eo ho eo.
Arotsaka ao anaty vilany ny karaoty voakiky ary aroharoina tsara ny fangaro. Afaka 15 minitra eo ho eo dia lasa mifintina ilay karaoty. Rehefa hita fa mivadika volom-boasary tsara ny lokon’ny menaka dia esorina eo ambony afo ny vilany.
Avela mangatsiaka tsara avy eo fihazina amin’ny « passoire » maina tsara. Tandremana mba tsy hisy rano mihintsy ilay « passoire » ampiasaina fa manimba ilay menaka karaoty izany.
Rehefa vita dia atao anaty boaty na « flacon » madio sy maina tsara ilay menaka. Tsara ihany koa raha asiana vitamina E ity farany. Sady manampy amin’ny fikolokoloana ny volo izany no sady mandaitra amin’ny fitehirizana ilay menaka.

Fomba fampiasana ny menaka karaoty

Ampiasaina anaovana « bain d’huile » ny menaka karaoty. Hosorana amin’ny hodi-doha ary horina mandritra ny 2 minitra. Asiana izany ihany koa ny ravim-bolo ary avela hilona manditra ny 15 minitra vao manasa loha toy ny mahazatra.

Lire la suite

Articles Similaires