• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
DYI

Fomba fanamboarana « déodorant » natoraly ao an-trano

06/11/2023 16:44 © Moov.Mg

Mafana izao ny andro ary maro ireo olona tsembon-kelika sy maimbo helika. Misy ireo efa mandro sy misasa tsara alohan’ny hivoaka ny trano nefa mbola misy fofona ratsy ihany rehefa tsemboka. Araho eto ary ny fomba fanamboarana « déodorant » natoraly ao an-trano, mandaitra sy tsy lafo vidy.

Ireo zavatra ilaina amin’ny fanaovana « déodorant »

-Diloilo coco tsy mitapoka 100g ;
-Karibonetra 40g ;
-« Maïzena » 40g ;
-« Huile essentielle de lavande » 10 « gouttes » ;
-« Cire d’abeille » 5g.

Fomba fikarakarana

Atsonika amin’ny alalan’ny « bain marie » ny menaka diloilo coco tsy mitapoka ary atao anaty « saladier » rehefa mitsonika. Arotsaka ao ny karibonetra sy ny « maïzena » ary aroharoana amin’ny « fouet ». Rehefa mifangaro tsara sy lasa malama tsara ny fangaro dia arotsak ny « huile essentielle de lavande ». Azo soloina « huile essentielle » hafa, arakarak’izay fofona tiana.
Arotsaka ao anatin’ny fangaro ny « cire d’abeille » ary afangaro tsara. Rehefa vita izay dia afindra ao anaty fitoerana kely misarona tsara toy ny « bocal » ny fangaro ary ampidirina ao anaty vata-fampangatsiahana.
Afaka ora maro dia lasa mivaingana ny « déodorant » natoraly ka afaka angalana tsikelikely amin’ny rantsan-tanana na amin’ny sotrokely rehefa hampiasa izany. Azo tehirizina mandritra ny 3 hatramin’ny 5 volana ity vokatra ity. Osorana isan’andro amin’ny helika avy nodiovina tsara mba hisorohana ny fofona ratsy vokatry hatsembohana.

Lire la suite

Articles Similaires