• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cookme
Image
DYI

« Fruits séchés » na voankazo maina : ahoana ny fanaovana azy ireny ?

02/11/2023 10:41 © Moov.Mg

Hitantsika sy rentsika matetika tato ho ato ny hoe « fruits séchés » na voankazo maina. Maro rahateo ny mpivarotra azy ireny eny an-tsena eny. Fa inona tokoa ny vokatsoa azo avy amin’ny voankazo maina ary ahoana ny fomba fanaovana azy ireny ?

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny voankazo maina na « fruits secs »

Sakafo mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny voankazo. Ny fanamainana no isan’ny fomba mahomby indrindra hitehirizana ny voankazo mandritra ny fotoana ela. Marihana nefa fa tsy afaka tehirizina ela loatra izy ireny satria miova ny tsirony, sady mety ho lo…
Ireto avy ireo vokatsoa azo avy amin’ny voankazo maina :
-Mitondra singa maro samihafa ilain’ny vatana, toy ny vitamina, kalsioma, vy… ;
-Manatsara ny fandevonan-kanina noho izy ireo be « fibres » kokoa raha oharina amin’ny voankazo tsotra ;
-Manampy amin’ny fitaizana sy fanenam-batana noho izy ireo « coupe faim ». Izany hoe manakana anao tsy hinana sakafo hanelanelam-potoana ;

-Azo asolo ny « sucrerie » na zava-mamy hoanina rehefa manao fanatanjahatena na fampiasa-batana. Betsaka tokoa mantsy ny tahan’ny siramamy (ilay mitondra hery) ao anatin’ny voankazo maina raha mitaha amin’ny voankazo tsotra. Siramamy natoraly izay tsy mankarary mitovy ny amin’ny vatomamy na ireo zava-pisotro misy akora simika ireny ny amin’ny voankazo nohamainina.


Copyright Image : © deshydratation-aliments

Ny fomba fanaovana voankazo maina

Azo atao tsara ny manamboatra voankazo maina ao an-trano. Tsy mila fitaovana be loatra ary tsy sarotra ny fanaovana izany. Azo anampiana ny fidiram-bola ihany koa izany raha toa ka mazoto hivarotra.
Misy fomba telo samihafa moa azo tanterahina raha hanao voankazo maina :

Mampiasa lafaoro

Sasana tsara ny voankazo ary fafana moramora. Tetehina atao madinika sy somary manify (tsy atao manify loatra). Apetraka eo ambony « plaque de cuisson » ny « papier cuisson » ary apetraka eo tsirairay ireo voankazo voatetika. Atao somary mielanelana ny toeran’ireto farany fa tsy azo atao mifampitakosona. Atsofoka ao anaty lafaoro amin’ny hafanana 50°C mandritra ny adiny 4 hatramin’ny 10 ora. Miova arakaraky ny voankazo ny faharetan’ny fanamainana izany. Raha maharitra adiny 6 ora izany hoan’ny akondro dia maharitra adiny 10 ora kosa hoan’ny paiso. Sokafana isaky ny adiny roa ny lafaoro mba hivoahan’ny hamandoana.

Mampiasa « déshydrateur »

Anisan’ny fomba tsotra sy mahomby hanamboarana voankazo maina ny fampiasana ny « déshydrateur ». Arak’izany anarany izany moa dia fitaovana natao hanamainana sakafo, toy ny voankazo, legioma, hena… ny « déshydrateur ». Efa misy mivarotra eto Madagasikara moa ity karazana fitaovana ity. Ahavitana manao voankazo manto betsaka kokoa raha oharina amin’ny lafaoro ity farany. Sasana, fafana ary tetehana manify, tsy atao fisaka loatra, ny voankazo. Rehefa vita dia alahatra ao anatin’ny « déshydrateur » ary arahina ny torolalana amin’ny fampiasana ny fitaovana.

Atapy amin’ny masoandro

Ity fomba fanaovana voankazo maina ity no tsy lafo vidy ary tsy mandoto ny tontolo iainana indrindra. Tsy mety amin’ny toerana rehetra nefa ny fanatanterahana azy satria mila masoandro be mihintsy. Amin’ny tany mafana sy tsy be orana noho izany no tsara anaovana azy. Rehefa avy nosasana, nofafana sy notetehana somary manify ny voankazo dia apetraka eo ambony fitoerana (hazo norafetina na fitaovana natokana amin’ny fanamainana voankazo) ary saromana lamba manify. Avoaka amin’ny masoandro mandritra ny tontolo andro ary ampidirina rehefa alina. Atao mandritra ny andro maromaro izany mandrapahazoana voankazo maina.

Azo avadika voankazo maina avokoa ny karazana voankazo rehetra. Ankoatra ny fitehirizana ny voankazo tsy ho simba sy ariana fotsiny dia afaka amidy atao fitadiavam-bola ihany koa ny voankazo nohamainina.


Copyright Image : © Bol-com

Lire la suite

Articles Similaires