• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pharma Gdd
Image
DYI

Ny fomba fanamboarana diloilo coco « pure » ao an-trano

31/10/2023 11:26 © Moov.Mg

Anisan’ny menaka zava-maniry fampiasa amin’ny fiainana andavandro ny diloilo coco. Indraindray nefa isika sendran’ireo vokatra tena ratsy fofona noho izy ireo mitapoka akora tsy fantatra. Mba ahafahan’ny rehetra misitraka diloilo coco « pure » ary dia atoro eto ny fomba fanaovana izany. Araho ary !

Ireo akora ilaina raha hanamboatra diloilo coco « pure »

-nofona coco (ilay fotsifotsy)
-rano

Ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fikarakarana

-ambozy na fitaovana mafy tsara hikikisana ny coco
-fitatavanana na « passoire »
-loavia jobo
-« bocal » na vera
-lafaoro na vilany hanaovana « bain marie »

Ny fomba fikarakarana azy

Kikisana ao anaty lovia jobo ny nofona coco. Asiana rano kely dia afangaro tsara. Fihazina tsara amin’ny tanana roa ny coco voakiky mba hivoaka ny rano sy menaka ao aminy. Miendrika ronono ny vokatra azo rehefa notsihifina tsara ny coco. Azo atao ihany koa ny manapotika ny coco voakiky ao anaty « mixeur » ahazoana ranony bebe kokoa rehefa fihazina. Tatavanina tsara ity farany ary atao anaty « bocal » na vera mahazaka hafanana.
Hafanaina mandritra ny 15 minitra amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro na mampangotraka rano kely (tsy mandifotra tanteraka ilay « bocal ») ao anaty vitany. Rehefa vita izay dia vonoina ny lafaoro na ny afo nampangotrahana rano ary atsofoka ao ilay « bocal » misy ilay ranona coco. Hidina tsara varavaran’ny lafaoro na saromana tsara ny vilany mba hitazomana ny hafanana tsy hivoaka. Avela ao mandritra ny alina.
Ny ampitso maraina dia ho hita miavaka eny ambony ny menaka ary mijanona eo ambany kosa ny rano. Alaina moramora amin’ny sotro ilay menaka mitsingevana ary tehirizina anaty « bocal » misarona tsara. Tsara raha tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana. Tsy avela mijanona mihoatra ny iray volana kosa nefa.

Lire la suite

Articles Similaires