• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Montre-Moi Comment
Image
DYI

Torohevitra sy vokatra natoraly hiadiana amin’ny moka

30/10/2023 15:12 © Moov.Mg

Efa tafiditra anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra tanteraka isika izao ka efa mila miomana amin’ny fahamaroan’ny moka. Ny fampiasana lay moa no fomba mahomby hiadiana amin’ny kaikitry ny moka rehefa matory amin’ny alina. Ahoana kosa no hiadina amin’izy ireny rehefa mbola tsy matory ? Araho ary ireo torohevitra sy vokatra natoraly hiadiana amin’ny moka.

Mamboly zavamaniry tsy tian’ny moka eo amoron’ny varavarankely

Ny varavarankely no isan’ny mampiditra moka indrindra ao an-trano. Mba hiadiana amin’ny moka sy ny kaikitr’izy ireny dia tsara raha mampoly ireo karazana zavamaniry tsy tian’izy ireo eo amoron’ny varavarankely. Maro tokoa ireo zavamaniry mamoaka hanitra mampitsoaka ny moka azo ambolena, toy ny « basilic », ny « thym citron », ny veromanitra… Azo atao ihany koa ny mamboly kininina eo an-tokontany. Ny kininika dia hazo tsy tian’ny moka mihintsy nohon’ny fofony mahery.

Manamboatra vokatra natoraly mampitsoaka ny moka

Fomba iray hiadiana amin’ny kaikitry ny moka ihany koa ny fanamboarana vokatra mampitsoaka ny moka. Tsy mila zavatra maro moa ny fanamboarana izany ary tsy misy atahorana hisy fiantraikany ratsy ho an’ny fahasalamana satria tsy mampiasa akora simika. Tsotra ny fikarakarana : afangaro ny « huile essentielle de citron » in-5 mitete, ny « huile essentielle d’eucalyptus » in-5 mitete ary ny « huile essentielle de citronnelle » in-5 mitete. Atao anaty tavoahangy « spray » na ilay mety atsifitra io fangaro io ka atsifitra kely amin’ny hoditra hampitsaoka ny moka. Tandremo fa tsy azo ampiasain’ny vehivavy bevohoka sy ny ankizy latsaky ny 6 taona.

Manisy « pots-pourris » ao amin’ny efitrano

Raha azavaina amin’ny fomba tsotra dia fanafangaroana zavamaniry manana hanitra samihafa no atao hoe « pots-pourris ». Misy karazany maro noho izany izy ireny ary matetika dia zavamaniry misy hanitra mahery no ampiasaina amin’ny fanamboarana azy. Raha hanao « pots-pourris » hiadiana amin’ny moka dia maka « clous de girofle » maromaro ary atsatoka amin’ny voasary loranjy masaka izy ireo. Atao amin’ny efitrano fatoriana na ao amin’ny efitra be moka ilay « pot-pourri » ary avela hidy tsara ny efitrano mandritra ny tontolo andro. Tsy miverina ao intsony ny moka rehefa mahare ny fofona avoakan’izany.

Lire la suite

Articles Similaires