• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fourchette Et Bikini
Image
DYI

Fanamboarana « cire épilatoire » na « cire fanalana volo » ao an-trano

29/10/2023 08:07 © Moov.Mg

Efa norasahantsika ny fanaovana « épilation à la cire » na ny fanalàna ny volo amin’ny alalan’ny « cire ». Tsy mora maniry ary lasa miha manify ny volo amin’ny vatana esorina amin’ny « cire ». Maro ireo vokatra efa vita azo jifaina eny amin’ny mpivarotra. Azo atao ihany koa nefa ny manamboatra « cire épilatoire » ao an-trano. Araho ange e !

Ireo zavatra ilaina hanaovana « cire épilatoire »

-Siramamy 100g ;
-Voasary makirana mavo tsara sy lehibe 1 ;
-Rano 2 sotro fihinanana.

Fomba fanamboarana azy

Arotsaka anaty vilany kely ny siramamy, ny ranon’ilay voasary makirana ary ilay rano. Raha toa ka kely ilay voasary makirana dia roa no ampiasaina. Atao mifangaro tsara ireo rehetra ireo ary ataingina eo ambony afo malefaka.
Ampangotrahana toy ny manao « caramel » ny fangaro. Aroharoana hatrany mba tsy hiraikitra amin’ny vilany. Rehefa mangotraka dia miova tsikelikely ny lokon’ilay fangaro. Rehefa lasa matroka ny lokony dia esorina eo ambony afo ary avela hangatsiaka. Tehirizina ao anaty boaty plastika raha mbola tsy ampiasaina eo no eo.
Raha toa ka lasa mafy be ilay « cire » dia averina hafanaina hitsonika. Endrasana matimaty sy somary mivaingana antonony (tsy malemy nefa tsy mafy be) vao afaka ampiasaina. Lemana rano ny tanana ilana ary volavolaina ary somary sotosotomina amin’ny tanana roa ilay « cire » mba halefaka. Asiana rano hatrany ny tanana ilana mba tsy hiraikitra ilay « cire ». Rehefa malefaka tsara dia azo ampiasana hanesorana ny volo rehetra amin’ny vatana. Tsy mety amin’ny volo amin’ny tarehy.

Lire la suite

Articles Similaires