• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Recettes
Image
DYI

Fomba fanamboarana savony fampiasa ao an-trano

27/10/2023 16:33 © Moov.Mg

Anisan’ireo vokatra ilaina amin’ny andavanandro ny savony fampiasa ao an-trano nefa dia tsy mitsahatry ny miakatra ny vidin’izy ireo. Vahaolana manampy betsaka ny fanamboarana savony ao an-trano. Sady mampihena ny vola mivoaka izany no azo atao fidiram-bola ho an’ireo mazoto hivarotra. Araho eto ary ny fanamboarana savony fampiasa ao an-trano.

Zavatra ilaina raha hanao savony fampiasa ao an-trano

-Menaka mandry 1,5 l ;
-« Glycérine » na silicate 150g ;
-« Soude causitique »: 240g ;
-Vahona 400g ;
-Siramamy: 250g
-Rano matimaty 500g ;
-Menaka diloilo (huile de coco) 10g ;
-Sira 50g ;

Fomba fikarakarana azy

-Kikisana alaina ranony ny vahona.
-Afanaina anaty vilany ny menaka ka atao mihoatra ny 80°C ny hafanany vao esorina. Rehefa vita izay dia atokana anaty koveta.
-Lanjaina atao mahazo 400g ny vahona. Levonina ao anatin’ity farany ny siramamy 200 g avy eo arotsaka ao ihany koa ilay menaka diloilococo. Hafainaina atao mahatratra miohatra ny 80°C ihany koa ireo fangaro ireo. Aroharoina hifangaro tsara.
-Lanjaina ny « glycérine » na ny « silicate » ahazoana 150 g avy eo arotsaka sy afangaro avy hatrany amin'ny menaka efa nafanaina teo aloha.
-Lanjaina atao 500 g ny rano matimaty ary arotsaka ao ny sira 50g sy ny ambin'ilay siramamy 200g efa nafangaro tamin'ny vahona. Aroharoina mba ho levona tsara.
-Arotsaka miadana ao amin'ilay rano nandevonana ny sira sy siramamy ny « soude caustique », aroharoina mandrapa levona azy tsara.
-Arotsaka tsikelikely ao anatin’ilay menaka ilay vahona sy siramamy ary menaka diloilo coco efa nafanaina tsara teo aloha sady tsy mijanona miharoaro ihany.
-Tsapaina amin'ny « thermomètre » ny hafanana eo amin'ny rano sy « soude » ka arotsaka avy hatrany ao anaty menaka efa miafangaro tsara amin'ny vahona rehefa mijanona eo anelanelan'ny 50° hatramin’ny 52° C ny hafanana. Ka sady mandraraka miadana no mangaroharo!
-Afaka atao anaty « moule » (silicone na hazo misy lafika « sachet ») amin’izay ary saromana « sachet ». Avela mipetraka mandritra ny 24 ora ba 48 ora vao esorina ao anaty « moule » sy manapatapaka ny savony arak’izay paoziny hitiavana azy.

Lire la suite

Articles Similaires