• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Salut Bonjour
Image
DIY&Kolo-endrika&bika

Lehilahy mahavaha-batana : ireo dingana amin’ny fikarakarana ny volombava

20/12/2024 15:31 © Moov.Mg

Maro tokoa ny lehilahy misafidy manalava volombava ankehitry. Rehefa voakarakara tsara ny ireto farany dia mety manome endrika tsara ny tarehy tokoa. Mazava ho azy fa raha ratsy karakara dia lasa tsarain’ny olona ho tsy mahavaha-tena na voretra. Andeha ary ho fantarina ireo dingana tsara arahana amin’ny fikarakarana ny volombava.

Diovina tsara ny volombava

Dingana iray lehibe ary tsy azo idivirana amin’ny fikarakarana ny volombava ny fanadiovana izany matetika. Marihana tokoa mantsy fa mora hiangonan’ny loto ny volombava, indrindra ireo eo amin’ny saoka. Mety miraikitra eo avokoa na ny vovoka na ny poti-kanina na ny piti-drora rehefa miteny. Mazava ho azy fa raha tsy sasana matetika ny volombava dia mety hisy fofona ratsy sy haloto. Noho izany dia mila sasana isan’andro ny volombava ary atao « shampoing » isaky ny 3 andro eo ho eo. Rehefa avy sasana dia hamainina amin’ny serveta madio.

Hetezana ny volombava

Mba hadio sy tsara endrika ny volombava dia mila hetezana matetika. Miankina amin’ny endrika sy ny halavany tadiavina no hatetiky ny fanapahana azy ireny fa amin’ny ankapobeny tokony eo ho eo amin’ny 5 hatramin’ny 10 andro eo. Afaka hetezana amin’ny hety ireo volo hita fa mihoatra ny halavany. Azo atao ihany koa ny mampiasa « rasoir électrique » hanapahana ny volombava mba hitovy tantana. Tsy adinoina ny miaratra ny sisin’ny volombava mba hahatsara endrika izany.

Bangoina ny volombava

Dingana iray tena ilaina amin’ny fikarakarana ny volombava nohalavaina ihany koa ny fibangoana azy ireny. Mampilamana ireo volo misaritaka sy manaratsy endrika ny volombava ny fanaovana izany. Ny fibangoana azy ireo ihany koa dia mandrisika ny fanirin’ireo volo ka mahatonga azy ho mora lava haingana kokoa. Ankoatra izay dia manaparitaka ny « sébum » ny hoditra ao ambanin’ireo volombava ny fanogoana ireto farany ka manamandina sy mampangirana izany.

Kolokoloina ny fahasalaman’ny volombava

Toy ny volon-doha dia mety simba, makiana sy vakivaky ihany koa ny volombava. Mba hisorohana izany sy hitazomana azy ireo ho salama sy mangirana hatrany ary dia mila mahavatra mikolokolo. Raha azo atao dia mampiasa ny menaka manokana fikarakarana ny volombava atao hoe « huile à barbe ». Sady manamandina ireo volombava izy io no manatsara ny hodi-tava. Etsy andaniny mampitony ny volombava mangidihidy sy manala ny angandrano eo aminy ihany koa ity karazana menaka ity. Raha tsy manana « huile à barbe » dia afaka asolo azy ny menaka zavamaniry fampiasa amin’ny volo toy ny « huile de ricin », « huile d’olive », « huile d’argan »…

Lire la suite

Articles Similaires