• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Migros
Image
DIY&Kolo-endrika&bika

Fomba fanadiovana ny vera mba hadio sy hangirana tsara

07/11/2024 10:07 © Moov.Mg

Isan’ireo fitaovana ao an-dakozia sarotra diovina ny vera. Raha ratsy dio tokoa mantsy izy ireny dia mora hita mifariparitra ny tasitasy eo aminy, indrindra ireo tasina menaka. Ireto manaraka ireto ary ny torohevitra sy fomba atao hanadiovana ny vera sy hampangirana tsara azy ireo.

Ireo fikafika mahomby hanadiovana ny vera maloto sy tratry ny menaka

Maro ireo fomba fanadiovana ny vera maloto sy tratry ny menaka mandaitra sy afaka ampiharina tsara ao an-trano. Anisan’izany ny :
-Fanafangaroana vinaigitra fotsy amin’ny rano hanasana ny vera. Tsy atao be loatra ny vinaigitra fotsy fa fahefan’ny sotrokely ihany. Ho mora afaka ny loto sy ny menaka miraikitra aminy.
-Fampiasana ranona voasary makirana sy sira vaingany nototoina. Izany hoe atsoboka anatin’ny ranona voasary makirana ny « chiffon » avy eo atsoboka kely anatin’ilay vovon-tsira ary io no hanadiovana ny vera sarotra diovina.
-Fampiasana rano mafana nasiana karibonetra. Ny vera miosona menaka mandry no tena ilaina ity torohevitra ity. Atsoboka ao anatin’io fangaro ny vera ary sasana amin’ny éponge madio. Avy eo kobanina amin’ny rano mafana dia hamainina haingana.

Ireo fomba fanadiovana ny vera tasin’ny « calcaire »

Tranga matetika miseho tokoa ny hoe lasa misy tasy fotsifotsy sarotra esorina ny vera. Ny « calcaire » amin’ny rano no mahatonga azy ireny. Matetika dia sarotra miala ireo tasy ireo. Ireto ary ny fikafika mandaitra amin’izany :
-Lomana manditra ny ora vitsy anaty vinaigitra fotsy ireo vera. Avela hiasa tsara ilay vinaigitra fotsy avy eo sasana amin’ny liquide vaisselle ny vera vao kobanina tsara amin’ny rano madio.
-Mba hamerenana ny vera hangirana indray dia kosehana amin’ny ovy nozaraina roa. Raha mbola tsy madio tsara dia alona anaty rano nasiana hodina ovy mandritra 2 na 3 andro ireo vera tasin’ny « calcaire ». Aveo sasana toy ny mahazatra.

Ny fomba fanamainana ny vera

Isan’ireo antony mahatonga ny vera mbola tsy madio tsara na misy tasy miseho rehefa avy nosasana tsara ny tsy fanamainana azy araka ny tokony ho izy. Mba hisorohana izany ary dia :
-Mampiasa « gants » rehefa mamafa ny vera amin’ny lamba madio mba tsy hisy dian-tanana tavela amin’izy ireo ;
-Ho an’ireo vera nosasana tamin’ny rano mangatsiaka dia ahohoka fotsiny eo ambony « chiffon » na « papier absorbant » izy ireo ary avela ho maina ho azy eo ;
-Rehefa mamafa ny vera hanamainana azy dia lamba « coton » tsy misy volombolony no ampiasaina.

Lire la suite

Articles Similaires