Tanana makiana : torohevitra manamandina sy manalefaka azy ireny
Isan’ny zavatra manelingelina sy mahasorena ny tanana makiana. Maro ireo antony mety mahatonga izany, toy ny hatsiaka, ny fanasana tanana matetika amin’ny rano mangatsiaka na mafana, fampiasana « crème » tsy zakan’ny hoditra… Inona ny fiantraikan’ny tanana makiana ary ahoana ny fomba atao hitsaboana sy hanamandinana azy ireny ?
Ireo fiantraikan’ny tanana makiana
Maro ny fiantraikan’ny tanana makiana raha toa avela fotsiny eo ilay tanana fa tsy tsaboana na kolokoloana. Anisan’ireo fiantraikan’izany ny hoe :
-Lasa marokoroko sy mafimafy ny felatanana ;
-Lasa vakivaky ny tanana ;
-Lasa mivaramena ;
-Lasa simba noho ny fisian’ireo mitriatra kely ;
-Mangidihidy na mavaivay.
Ireo fomba atao hanamandinanana sy hitsaboana ny tanana makiana
Mba tsy ho simba sy harary ny tanana dia mila karakaraina tsara, indrindra raha manomboka tsapa fa lasa makiana ilay hoditra. Ny tsara indrindra dia manantona farmasianina manontany ny karazana « crème hydratante » tsara ampiasaina hanamandinana sy hitsaboana ny tanana makiana.
Misy ihany koa ireo torohevitra natoraly sy mora atao afaka ampiarina ho fanampin’ny fampiasana ny « crème hydratante » mba hitsaboana ny tanana makiana. Anisan’izany ny :
-Fanasana ny tanana amin’ny rano matimaty ;
-Fampiasana savony malefaka manana PH neutre ;
-Fanosorana « crème hydratante » rehefa mampiasa vokatra misy alikaola toy ny « gel hydroalcoolique » ;
-Fanaovana « gants » rehefa ririnina ;
-Fampiasana « crème solaire » rehefa vaninandro mafana ;
-Fisotroana rano tsara mandritra ny tontolo andro.