• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Dépêche
Image
DIY

Kankana tany : maro ireo vokatsoa azo avy aminy

21/10/2024 11:55 © Moov.Mg

Marihana isaky ny 21-n'ny volana oktobra ny andro iraisam-pirenena hoan’ny kankana tany na ny « vers de terre ». Saika misy azy ireny avokoa ny karazana tany rehetra ankoatra ireo manana toetra « acide ». Maro ny vokatsoa entin’izy ireny ho an’ny fambolena sy ny vatana. Andeha àry ho resahana misimisy eto ireo tsara fantatra mikasika ny kankana tany.

Kankana tany : mitana anjara lehibe ho an’ny fambolena sy ny zaridaina

Arak’izany fiantso azy izany dia kankana mivelona ao anaty tany ny kankana tany na ny « vers de terre ». Manamboatra lalana kely be dia be ao ambany tany hipetrahany izy ireny ahafahany mivezivezy sy manatody. Ny fisian’ireo lalana kely ireo dia manampy ny rivotra sy ny rano hihiditra tsara anatin’ny tany ka manamora ny fahatongavan’izy ireo amin’ny fakan’ny voly.
Ankoatra izay dia mandray anjara asa amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny tany ny kankana. Izy ireo tokoa mantsy dia mivelona amin’ny fihinanana ireo ravina latsaka amin’ny tany. Ny maloton’ireo kankana no lasa zezika natoraly manatsara ilay tany ka mahatonga ity farany ho mamokatra kokoa.

Manankarena proteina ilain’ny vatana ny kankana tany

Mbola vitsy eto amintsika no mahafantra fa fihinana ny kankana tany. Maro ireo firenena any Afrika sy any Azia no efa mihinana azy ireny. Voalazan’ireo mpikaroka fa isan’ireo biby manankarena proteina ireo karazana kankana ireo. Noho izany dia azo asolo ny fatran’ny proteina ilain’ny vatana entin’ny hena ny fihinanana azy ireny.
Any ivelany moa dia efa misy ireo mpivarotra miompana amin’ny fivarotana kankana tany fihinana. Maro ireo vokatra sy fomba fikarakarana azy ireny hita amin’izany ka ao ireo kankana manta, nandrahoina, nahamainina na natao jus. Efa misy ihany koa eto amintsika ny orinasa misehatra amin’ny fiompiana kankana tany fihinana sy amin’ny fivarotana izany.

Lire la suite

Articles Similaires