Misakafo haingana loatra : inona no mety ho vokatr’izany ?
Amin’izao fiainana feno rotoroto izao dia maro ny olona misakafo ao anatin’ny minitra vitsy monja. Matetika aza dia tsy ampy ny fotoana hitsakoana sy hankafizana ny sakafo. Indraindray ihany koa nefa efa fahazarana tsotra izao ny fisakafoanana haingana. Rehefa ela ny ela nefa dia mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana izany.
Sarotra kokoa ny fandevonan-kanina rehefa misakafo haingana loatra
Eo am-bava no manomboka ny fandevonan-kanina. Rehefa tsakoana tsara ny sakafo dia lasa potika madinika ary mifangaro amin’ny rora mba hanamora ny asan’ny vavony sy ny tsinay. Rehefa mihinana haingana loatra nefa dia matetika tsy voatsako tsara ny sakafo ka lasa votelina amin’ny sombiny lehibe.
Vokatr’izany dia miasa mafy kokoa ny rafitra fandevonan-kanina ka mety hiteraka « ballonnements », fanaintainan’ny kibo, fahatsapana fahavokisana na fahavesaran’ny vavony, entona (gaz) ao anaty tsinay. Mety hahatsapa aretim-bavony na fiakaran'ny asidra avy ao an-kibo ihany koa ny olona sasany.
Mitombo ny « risques » hisakafoanana be loatra
Mila fotoana ny atidoha vao mahazo ny hafatra avy amin'ny vavony milaza fa voky ny vatana. Amin'ny ankapobeny dia eo amin'ny 20 minitra eo ho eo no ilaina amin'izany. Raha mihinana haingana loatra dia mety efa be dia be ny sakafo lany izay vao tonga any amin'ny atidoha io hafatra io.
Mora kokoa arak’izany ny hihanana mihoatra noho izay ilain’ny vatana rehefa misakafo haingana. Mazava ho azy fa rehefa lasa fahazarana izany dia mety hahatonga fitomboan-danja sy olana amin'ny fitazonana lanja ara-dalàna.
Mampitombo ny « risques » ho lasa matavy tafahoatra
Maro ireo fikarohana nampiseho fa mora tratran’ny hatavezina sy ny lanja be loatra ny olona mihinana haingana. Ny antony dia satria matetika izy ireo no mandray kaloria betsaka mihoatra noho izay ilain'ny vatany.
Rehefa mitohy izany dia mitombo tsikelikely ny tavy ao amin'ny vatana. Mety vao mainka hitombo io tranga io raha zatra mihinana antenan-tenam-potoana na ao anatin'ny adin-tsaina ilay olona.
Mety hanakorontana ny tahan'ny siramamy ao amin'ny rà
Misy fiantraikany amin'ny fomba fitantanan'ny vatana ny siramamy ao amin'ny rà ihany koa ny fihinanana haingana loatra. Ny fikarohana sasany moa dia manondro fa io fahazarana io dia mifandray amin'ny fitomboan'ny « risques » hahazoana "syndrome métabolique", izay ahitana:
-Fitomboan'ny refin'ny andilana;
-Tahan’ny siramamy avo ao amin'ny rà;
-Tosidrà ambony;
-Fikorontanan’ny tahan'ny « cholestérol ».
Ireo olana ireo dia mety hampitombo ny « risques » hisian'ny diabeta karazany faha-2 sy aretim-po.
Mihena ny fahafinaretana amin'ny fisakafoana
Ny fihinanana sakafo haingana loatra dia manakana antsika tsy hankafy tanteraka ny tsiro, ny hanitra ary ny firafitry ny sakafo.
Lasa asa fotsiny ny fisakafoanana fa tsy fotoana hialana sasatra sy hiarahana amin'ny hafa. Rehefa maharitra izany dia mety hisy fiantraikany amin'ny fahazarana ara-tsakafo sy ny fifandraisana amin'ny sakafo amin'ny ankapobeny.




