« Embolie pulmonaire » : aretina mila fitsaboina haingana
Mbola maro amintsika ny tsy mahafantatra ny aretina « embolie pulmonaire ». Aretina lehibe miseho amin’ny fisian’ny vaingan-drà manentsina ny lalan-drà mankany amin’ny havokavoka izy io. Rehefa voasakana ny fikorianan’ny rà dia mihena ny « oxygène » tonga ao amin’ny vatana, ka mety hampidi-doza sy hahafaty haingana raha tsy voatsabo ara-potoana.
Inona no atao hoe « embolie pulmonaire » ?
Matetika ny « embolie pulmonaire » dia vokatry ny fisian’ny vaingan-drà ao amin’ny lalan-drà lalina any amin’ny tongotra, izay antsoina hoe « Thrombose veineuse profonde ». Mety hiala amin’ny toerana niaviany io vaingan-drà io, hanaraka ny fikorianan’ny rà ary hiafara any amin’ny havokavoka, ka hanentsina ny lalan-drà ao.
Miankina amin’ny haben’ilay vaingan-drà sy ny hamafin’ny fanentsenana ny fahasarotan’ny aretina. Misy ireo tranga maivana tsy dia hita soritra, nefa misy koa ireo tena mahery ka mety hiteraka fijanonan’ny fo tampoka.
Ireo anton-javatra mampitombo ny « risques »
Maro ireo toe-javatra mety hampitombo ny « risques » hahavoan’ny « embolie pulmonaire » :
-Tsy fihetsehan’ny vatana ela loatra, toy ny dia lavitra, fijanonana am-pandriana, « hospitalisation »,
-Avy nato fandidiana, indrindra amin’ny taolana,
-Fifohana sigara,
-Hatavezana,
-Fitondrana vohoka sy fotoana aorian’ny fiterahana,
-Fampiasana pilina fanabeazana aizana misy hormonina,
-Homamiadana sasany,
-Efa voan’ny « embolie pulmonaire » na nisy fianakaviana akaiky efa voa,
-Aretin’ny fo sy lalan-drà.
Mitombo ihany koa ny « risques » rehefa mihantitra ny olona.
Ahoana ny fomba fisehon’ny « embolie pulmonaire » ?
Matetika dia tampoka ny fisehoan’ny soritr’aretin’ny « embolie pulmonaire ». Ireto no fahita indrindra :
-Sempotra tampoka,
-Manaintaina ao amin’ny tratra rehefa miaina,
-Mikohaka, indraindray misy rà,
-Mitempo haingana be ny fo,
-Fanina na mahatsapa malemilemy,
-Havizanana lalina.
Indraindray dia misy famantarana mialoha avy amin’ny « thrombose veineuse profonde » :
-Manaintaina amin’ny ranjo,
-Mivonto ny tongotra iray,
-Mafana na mivaramena amin’ny faritra voa.
Fomba fitiliana
Mba hahafantarana sy hanamarinana ny aretina dia manao fitiliana maro ny mpitsabo :
-Fitsapana rà (D-dimères),
-« Scanner » amin’ny havokavoka,
-« Electrocardiogramme »,
-« Échographie » amin’ny lalan-drà amin’ny tongotra,
-Indraindray mety hatao « scintigraphie pulmonaire » ny marary.
Zava-dehibe ny fitsaboana haingana mba hisorohana ny fahasarotana.
Fitsaboana
Ny tanjon’ny fitsaboana ny « embolie pulmonaire » dia mifantoka amin’ny fisorohana ny fitomboan’ilay ra mivaingana sy ny fisehoan’ny vaovao.
Fanafody « anticoagulants » no tena fitsaboana ampiasaina. Izy ireo dia manalefaka ny rà ary manampy hisoroka ny fipoitran’ny vaingan-drà vaovao.
Amin’ny tranga tena mafy dia misy fanafody ampiasaina handravana haingana ilay ra mivaingana.
Raha tena sarotra ny toe-pahasalaman’ny marary dia mety ilaina ny manala mivantana ilay fivontosana amin’ny alalan’ny fandidiana na fitsaboana manokana.
Fahasarotana mety hitranga
Raha tsy voatsabo, ny « embolie pulmonaire » dia mety hiteraka :
-tsy fahampian’ny fiasan’ny havokavoka,
-fiakaran’ny tosidra ao amin’ny havokavoka,
-fahatapahan’ny fikorianan’ny rà,
-ary mety hiafara amin’ny fahafatesana.
Na dia sitrana aza, misy olona mbola mety hahatsiaro sempotra sy havizanana maharitra.
Fisorohana ny "embolie pulmonaire"
Tena ilaina ny fisorohana, indrindra ho an’ireo olona marefo. Ireto avy no fomba lehibe manampy amin’izany :
-Mihetsiketsika haingana aorian’ny fandidiana,
-Manao fanatanjahantena tsy tapaka,
-Misotro rano ampy,
-Mampiasa « bas de contention »,
-Miala sigara,
-Manaraka tsara ny fitsaboana omen’ny dokotera.
-Mandritra ny dia lavitra dia tsara ny mitsangana sy mandehandeha matetika mba tsy hijanona ela amin’ny « position » iray.




