• Cours de change
  • 5285.77 AR
  • |
  • $4557.17 AR
Copyright Image : © Mycitylinks
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fiankinan-doha tsy tsikaritra nefa misy fiantraikany amin’ny fahasalamana

08/01/2026 14:45 © Moov.Mg

Matetika rehefa miresaka hoe fiankinan-doha dia avy amin’ny toaka, sigara na zava-mahadomelina no tonga ao an-tsaina voalohany. Marihana nefa fa misy ihany koa ireo fiankinan-doha tsy tsikaritra nefa mahazo vahana tsikelikely amin’ny andavanandrom-iainana. Ny siramamy, ny « écrans » na koa ny fanafody sasany dia lasa filàna mangina tsy voatohitra, miteraka fiantraikany ratsy eo amin’ny vatana sy ny saina.

Ny fiankinan-doha amin’ny siramamy sy ny zava-mamy

Hita eny rehetra eny ny siramamy : amin’ny zava-pisotro, mofomamy, saosy, sakafo voahodina, eny na amin’ny sakafo masira aza. Ny fisian’ny siramamy saika eny amin’ny zavatra fihinana rehetra io dia mamorona karazana fiankinan-doha miafina. Ny siramamy tokoa mantsy dia mandrisika ny famokarana « dopamine », ilay « neurotransmetteur » manome fahafinaretana, toy ny azo avy amin’ny zava-mahadomelina sasany.
Vokany : lasa te hihinana siramamy na zava-mamy foana, miovaova ny hery, ary indraindray lasa kizitina na reraka rehefa tsy mihinana azy io. Mazava ho azy fa miteraka vokadratsy ny fihinanana azy io matetika, toy ny tavy be loatra, diabeta, aretim-po, areti-nify…

Ny fiankinan-doha amin’ny « écrans » sy ny nomerika

Efa tafiditra tanteraka eo amin’ny fiainantsika ny « écrans » : finday, solosaina, « tablette », « console vidéo »… Tsy ratsy ny fampiasana azy ireo amin’ny ankapobeny satria mitondra fivoarana sy fahalalana. Ny fampiasana azy be loatra kosa nefa dia mety hiteraka fiankinan-doha. Ny « notifications », tambajotra sosialy, horonan-tsary mitohy, « jeux en ligne »… : ireny rehetra ireny dia natao hanintona ny saintsika sy handrisika ny famokarana « dopamine ».
Maro ny vokadratsin’ny fiankinan-doha amin’izy ireny : fikorontanan’ny torimaso, fihenan’ny fifantohana, tebiteby, fitokatokanana, fahatsapana tsy fahafehezana fotoana… Toy ny amin’ny siramamy dia tsy tsikaritra ny fiankinan-doha amin’ny « écrans » sy ny nomerika noho izy io tsy enjehan’ny fiarahamonina.

Fiankinan-doha amin’ny fanafody sasany

Misy amin’ireo fanafody sasany natao hampitoniana ny fanaintainana, ny tebiteby na ny tsy fahitan-tory no mety mitarika fiankinan-doha ihany koa. Indraindray dia samy tsy mahatsikaritra izany avy hatrany na ny marary na ny mpitsabo. Matetika tokoa mantsy dia sarotra hita kokoa ny fiankinan-doha amin’ny fanafody raha oharina amin’ireo fiankinan-doha hafa.
Mety miseho amin’ny filàna ara-tsaina hanohy ilay fitsaboana izy izany, na koa amin’ny fampitomboana be kokoa ny fatra ilaina. Ny loza dia lasa entina hampitoniana ny tebiteby sy ny rarintsaina no tena ampiasaina ireo fanafody fa tsy hitsaboana ny antony fototr’ireto farany.

Lire la suite

Articles Similaires