• Cours de change
  • 5253.35 AR
  • |
  • $4543.4 AR
Copyright Image : © Style.Shockvisual
Image
Fahasalamana&Sakafo

Vatomamy sy sokolà : Ireo fitandremana amin'izao fety izao

20/12/2025 06:50 © Moov

Fahazarana tokoa ny mihinana sy mizara karazan-java-mamy rehefa fetin'ny krismasy sy faran'ny taona. Ilaina tokoa nefa ny fitandremana mba hisorohana ny olana ara-pahasalamana.

Vatomamy sy sokolà anaty fonosana mihidy

Mitobaka eny an-tsena ny karazana vatomamy sy sokolà tsara endrika. Adino mihitsy matetika ny manamarina ny daty farany azo hihinanana azy ireny. Noho izany, tsara raha zava-mamy anaty fonosana mihidy no vidiana. Sarotra mantsy ny hanamarina ny daty raha ireny efa miparitaka amidy amin'ny kilao ireny mantsy no safidiana. Tsy voatery hisy daty rahateo ny vatomamy sy sokolà tsirairay, indrindra raha kely.
Tsara raha hajaina tsara ny fepetra fitehirizana ireny zava-mamy ireny. Raha azo atao, tsy hanina intsony ny "bonbon" sy "chocolat" mitsonika na miraikitra loatra amin'ny foniny.

Zava-mamy azo antoka

Miparitaka eny an-tsena ireo karazana entana mora, ka misy mihitsy ireo tsy amin'ny teny frantsay na anglisy akory ny soratra aminy. Manintona ny mpividy tokoa moa ireo kazarana sokolà, bisiky ary ranom-boankazo tsy dia fahita amin'ny andavan'andro. Mba hitandrovana ny fahasalamana, tsara raha mifantoka amin'ireo vokatra efa mahazatra : azo antoka na ny mpanamboatra na ny mpivarotra azy. Tsy mahasoa firy ny manjifa ireo sakafo atao "soldes" na dia eo aza ny fitsisiana ara-bola.
Tandremana tsara ihany koa ny karazana "sauces" toy ny mayonnaise sy ny ketchup, ny menaka sy ny sardines, izay mety ahitana "arrivages" moravidy tokoa nefa tsy azo antoka firy.

Lire la suite

Articles Similaires