• Cours de change
  • 5073.34 AR
  • |
  • $4468.06 AR
Copyright Image : © Pharmashopi
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretina « bronchiolite » : ny fisehony eo amin’ny olon-dehibe

24/11/2025 11:10 © Moov.Mg

Maro amintsika no mihevitra fa ny zazakely ihany no mety tratry ny « bronchiolite ». Marihana nefa fa tena misy tokoa ny « bronchiolite » mahavoa ny olon-dehibe. Mazava ho azy fa tsy mitovy tanteraka amin’ny « bronchiolite » eo amin’ny zaza izy io. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « bronchiolite » eo amin’ny olon-dehibe.

Inona no atao hoe « bronchiolite » amin’ny olon-dehibe ?

Tsy dia fahita firy toy ny « bronchiolite » mpahazo ny zazakely ny « bronchiolite » eo amin’ny olon-dehibe. Samy aretina mahazo ny « bronchioles », izay miandraikitra ny fitondrana ny rivotra any amin’ny avokavoka, moa izy ireo. Ny « bronchiolites » dia mitarika fahateren’ny taovam-pisefoana sy soritr’aretina samihafa. Eo amin’ny olon-dehibe dia miseho amin’ny karazany roa lehibe ity aretina ity :
-« Bronchiolite infectieuse aiguë » izay matetika avy amin’ny viriosy. Mety ho avy amin’ny bakteria ihany koa nefa. Mifindra izy io ary vetivety dia mipoitra.
-« Bronchiolites chroniques et oblitérantes ». Izy ireo dia tsy voatery avy amin’ny otrikaretina sy mifindra. Mety ho avy amin’ny « maladies auto-immunes », fifohana singa manampoizina na koa aoriana « greffe pulmonaire » ho an’ny « bronchiolite oblitérante ».

Soritr’aretin’ny « bronchiolite » eo amin’ny olon-dehibe

Ny soritr’aretin’ny « bronchiolite » eo amin’ny olon-dehibe salama dia mety hitovy amin’ny fitrangan’ny sery tsotra sy fanelingelenana kely tsy dia misy atahorana. Eo amin’ireo marefo kosa (beantitra, bevohoka, ambany ny hery fiarovana), dia mety ho somary mafimafy ireo soritr’aretina ary mila fanaraha-maso ara-pahasalamana.
Anisan’ireo soritr’aretina fahita ny :
-Koho-maina maharitra, mety hiombo « toux grasse » ;
-Fahasahiranana miaina, indrindra rehefa mampiasa vatana ;
-« Respiration sifflante » vokatry ny fandalovan’ny rivotra ao amin’ireo « bronchioles » tsentsina ;
-Orona jenjina ;
-Havizanana be sy fanaviana (matetika tsy mamay be).
Eo amin’ireo « bronchiolites chroniques », dia mety mafy sy maharitra ireo soritr’aretina : kohoka maharitra, mihasempotra, be rehoka…

Ireo antony sy anton-javatra mety mitarika « bronchiolite » eo amin’ny olon-dehibe

Na dia avy amin’ny viriosy aza no antony lehibe mahatonga ny « bronchiolite infectieuse » dia mety misy antony hafa ihany koa mitarika azy io eo amin’ny olon-dehibe :
-Hery fiarovana lasa marefo, toy ny mahazo ny marary manao « chimiothérapie », voan’ny VIH, natao « transplantation d’organe »… ;
-Fahanterana (65 taona no mihoatra) ;
-Areti-mitaiza mahazo ny avokavoka ;
-Fifohana sigara ;
-« Maladies auto-immunes » sasany.

Ahoana ny fitsaboana ?

Raha mahatsikaritra iray na maro amin’ireo fambara voalaza ireo dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo. Ny fitsaboana ireo soritr’aretina matetika no fandraisana an-tanana ny « bronchiolite infectieuse ». Eo amin’ireo marary mety atahorana na marefo, dia mety ilaina ny fidirana hopitaly. Mavesabesatra kosa ny fitsaboana ny « bronchiolites chroniques » ary mety ilàna fampidirana fanafody toy ny « corticoïdes », « immunosuppresseurs »…

Lire la suite

Articles Similaires