• Cours de change
  • 5091.89 AR
  • |
  • $4465.79 AR
Copyright Image : © Luxéol
Image
Fahalalana Ankapobeny

Vokatra vita amin’ny akora natoraly mampalefaka ny volo

18/11/2025 16:44 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra manahirana amin’ny fikarakarana ny volo ny fahatsapana azy enjana sy mahery. Efa misy moa ireo vokatra na « produits » mampalefaka volo hita eny amin’ireo mpivarotra « cosmétiques ». Matetika nefa dia misy akora simika izy ireny ka mety hanimba volo rehefa any aoriana. Ireto manaraka ireto ary misy karazana vokatra vita amin’ny akora natoraly mampalefaka volo ary azo amboarina ao an-trano.

Vokatra mampalefaka volo : « masque » vita amin’ny zavoka sy diloilo coco

Ny zavoka sy ny diloilo coco dia manankarena otrikaina sy menaka mahasalama izay manamandina ny volo. Azo ampiasaina tsara izy io hikarakarana ny volo amin’ny andavanandro mba hampalefaka izany.
Ireo akora ilaina amin’ny fanamboarana azy : zavoka masaka tsara 1 ary diloilo coco 2 sotro fihinanana (tsy atao mivaingana fa malemy na efa natsonika). Tsotra ny fikarakarana azy : potserina atao malemy sy malama tsara ny zavoka. Arotsaka ao ny diloilo coco ary afangaro tsara.
Io « masque » io no ahosotra amin’ny volo mando. Avela hilona mandritra ny 30 minitra avy eo kobanina tsara amin’ny rano matimaty. Rehefa vita izay dia sasana tsara amin’ny shampoing toy ny mahazatra ny volo. Atao isan-kerinandro ity fikarakarana ity mba hahazoana vokatra tsara.

« Bain d’huile » mafana manalefaka volo

Ny « bain d’huile » mafana dia tena mandaitra amin’ny fanakatonana ny « cuticules » sy hampihenana ny « frisottis » eo amin’ny volo. Ankoatra izay dia manampy betsaka amin’ny fanalefahana ny volo henjana ihany koa izy io.
Misafidy karazana menaka zavamaniry fampiasa amin’ny volo iray, toy ny diloilo coco, menaka oliva, menaka kinana… Hafanaina amin’ny alalan’ny « bain-marie » ny menaka nosafidiana. Tsy avela hamay loatra.
Io menaka mafana io no ahosotra sy anorana moramora ny hodi-doha sy ny volo iray manontolo, hatrany amin’ny tahom-bolo. Rehefa vita izay dia fonosina anaty « bonnet de douche » na servieta mafana ny volo. Avela hiasa mandritra ny 30 minitra fara fahakeliny, raha mety dia mandritra ny alina tontolo, alohan’ny hanasana loha. Atao isaky ny roa herinandro.

Lire la suite

Articles Similaires