Bevohoka kambana : fitandremana sy torohevitra tsara fantatra
Saro-pady ny fitondrana vohoka zaza kambana ka dia ilaina fitandremana sy fanaharana tsara ireo torolalana apetraky ny mpitsabo mba hitandrovana ny fahasalaman’ny reny sy ireo zaza. Anisan’izany ny fanaraha-maso ara-pahasalamana, ny fakana aina sy ny fihinanana sakafo be otrikaina.
Bevohoka kambana : mila fanaraha-maso ara-pahasalamana tsara
Anisan’ireo fitandremana atao mba hitandrovana ny fahasalaman’ny reny sy ireo zaza eo amin’ny bevohoka kambana ny fanamafisana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana :
-Misafo matetika. Mila misafo matetika kokoa ny vehivavy bevohoka kambana. Manao « échographies » isam-bolana ary mety ho lasa in-droa isam-bolana na isan-kerinandro izany manomboka amin’ny telo volana fahatelo ny vohoka, miankina ny fizotry ny fitondrana vohoka.
-Fanaraha-maso akaiky ny fizotry ny vohoka. Ambony kokoa ny « risques » mety hampisy fahasarotana, toy ny tosidrà avo, ny « diabète gestationnel » eo amin’ny bevohoka. Mila fitiliana matetika ny pipy sy ny fijerena ny tosidrà.
-Safidiana tsara ny « maternité » na toeram-piterahana. Mila manana ireo fitaovana hahafahana mandray an-tanana ny bevohoka kambana sy ny fiterahana tsy tonga volana no hiterahana.
-Fiomanana amin’ny fiterahana na « préparation à l’accouchement ». Matetika dia atao « césarienne » ny fiterahana zaza kambana ka mila ifampiresahana dieny mialoha amin’ny mpitsabo manaraka ny vohoka ny mikasik’izany. Mety atao « déclenchement » na hoe ampiterahana aloha (8 volan’ny vohoka) ilay bevohoka miankina amin’ny fahasalaman’ny reny sy ireo zaza.
Mila sakafo manokana sy maka aina tsara ny bevohoka kambana
Mila sakafo manokana ny bevohoka kambana ary mila maka aina tsara hitandrovana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ao am-bohoka :
-Sakafo be kaloria kokoa. Izany hoe tokony ho eo ho eo amin’ny 1000 kaloria isan’andro ny an’ny bevohoka kambana raha toa ka 300 kaloria an’ny bevohoka tsotra ;
-« Compléments alimentaires », toy ireo mitondra « fer », « folates » sy « calcium » mba hahafahana miantoka ny filànan’ireo zaza ao am-bohoka ;
-Maka aina tsara. Zava-dehibe izany mba hisorohana ny harerana be loatra sy hisorohana ny fiterahana tsy tonga volana eo amin’ny bevohoka zaza kambana. Mety ilaina ny mitsahatra mialoha amin’ny asa.



