• Cours de change
  • 5102.67 AR
  • |
  • $4475.1 AR
Copyright Image : © Paris
Image
Fahalalana Ankapobeny

Trano mandomando lava : Ireo fepetra tokony raisina amin'ny andavanandro

09/11/2025 18:00 © Moov

Tsy voatery hisy triatra akory ny trano vao mandomando. Marobe ireo trano toa tsy mety afaka hamandoana nefa tsy misy rano miditra avy any ivelany. Inona àry no tokony atao ?

Raha toa ka tsy misy fahasimbana ny trano nefa mandomando lava, tsara raha ny fahazarana ao an-tokantrano no ovaina. Miteraka aretina sady manimba trano mantsy ny hamandoana.

Sokafana araka izay azo atao ny varavarankely

Matetika dia ny trano mihidy lava no voakasiky ny olan'ny hamandoana. Raha toa ka voatery hidiana ny varavarankely mandritra ny tontolo andro noho ny antony samihafa, tsara raa mifoha maraina be mba ho azon-drivotra ny trano. Mila adiny iray na roa farafahakeliny ny fivoahan'ny varavarankely.
Amporisihana ny fampiasana "hote aspirante" na fanokafana ny varavarankely raha toa ka mahandro sakafo ao an-trano. Ny entona avoakan'ny sakafo mafana mantsy dia miteraka hamandoana ao an-dakozia.

Tsy anahazan-damba ao an-trano

Tsy vitsy ireo zatra manaha lamba ao an-trano, indrindra any amin'ny trano fidiovana. Maha-mando ny trano nefa izany. Tsara kokoa raha any ivelany no atapy ny lamba, na mampiasa irony "sèche-linge" irony. Raha toa ka tsy maintsy manaha lamba ao an-trano noho ny orana avy ohatra, diovina tsara ilay efitra ka atao azon-drivotra ny ampitso.
Isa-maraina na hariva, isaky ny avy mandro, diovina hatrany ny "douche" ary atao maina tsara.

Fanamboarana

Raha toa ka mamaritra be ny rindrina na ny "plafond" noho ny hamandoana, midika izany fa mety miha-malemy ny trano. Tsy azo atao tsinontsinona ihany koa ny fisian'ny fofona ratsy, na dia manadio sy mampiasa akora manamanitra trano aza. Tena ilaina raka izany ny miantso manam-pahaizana manokana momba ny fanamboarana trano.
Tsara ny manamarika fa tsy mety amin'ny fahasalaman'ny zazakely sy ny olona manana olana amin'ny fisefoana ny trano mandomando.

Lire la suite

Articles Similaires