« Sècheresse vaginale » : ireo tsy tokony ataon’ny vehivavy miaina izany
Tsy voaresaka matetika ny mikasika ny « sècheresse vaginale » nefa dia maro ny vehivavy voakasik’izy io. Ny « sècheresse vaginale » dia ny tsy fahampiana na tsy fisian’ny fanamandinana ny fivaviana izay miteraka soritr’aretina manelingelina samihafa. Maro ireo antony mety mahatonga azy io ary misy ihany koa ireo fihetsika vao maika manasarotra azy. Araho eto ary ireo tsy tokony ataon’ny vehivavy manao « sècheresse vaginale ».
Ireo tsara fantatra mikasika ny « sècheresse vaginale »
Fahatsapana tsy mahazo aina, mangidihidy, mavaivay, marary rehefa miray ara-nofo na rehefa mipipy… maro ireo fomba fisehon’ny « sècheresse vaginale ». Ny tsy fahatomombanana eo amin’ny « glandes vaginales » izay lasa tsy mamokatra ara-dalàna ny tsiranoka manamandina ny fivaviana no mahatonga azy io. Matetika dia ny fikorontanan’ny hormonina, fanafody sasany, aretina na fiasana saina no miteraka ny tsy fahatomombanan’ny « glandes vaginales ».
Rehefa tsy ampy na tsy misy manamandina ny fivaviana dia mety lasa mihamanify ny « parois » ao anatiny ary mora mitriatra, mihena ny « élasticité de la muqueuse » ka lasa sarotra hidirana ao amin’ny taovam-pananahana ity. Rehefa misy olana eo anivon’ity farany dia ny manantona mpitsabo no zavatra voalohany tokony atao. Etsy andaniny dia misy ireo fihetsika mety manamafy ny « sècheresse vaginales » mila hialana toy ireto manaraka ireto.
Tsy mifidy ny « produits » hanasana ny fivaviana
Maro tokoa ny mizatra mampiasa ny savony na « gel douche » fandroana hanasana ny fivaviana. Ny olana amin’ireny vokatra ireny nefa dia mety mahery ny singa ao aminy na tsy zakan’ny hoditra ka vao maika lasa manamaina ny fivaviana. Marihana moa etsy andaniny fa rano ihany dia ampy hanasana ny fivaviana noho izy io mahavita manadio tena. Raha tsy maintsy hampiasa « produits » dia « nettoyant intime » izay natokana ho an’io faritry ny vatana io no ampiasaina.
Manao akanjo tery sy/na « synthétiques »
Vao maika mampihombo ny « sècheresse vaginale » ny fanaovana akanjo teritery na koa ny fanaovana akanjo « synthétiques ». Ny « synthétiques », indrindra ny silipo, dia mety mahatonga « irritation ». Tsara arak’izany raha lamba « coton » hatrany no safidiana, na ho an’ny akanjo izany na ny atin’akanjo. Tsy atao tery ihany koa ny akanjo, na ny pataloha na ny short, satria manamafy ny fikasokasohana eo amin’ny elakelam-pe izany ka mampitombo ny tsy fahazoana aina eo amin’ny vehivavy manao « sècheresse vaginale ».
Mampiasa « tampon » mandritra ny fadim-bolana
Rehefa tonga fotoana dia ireo fiarovana ivelany toy ny « serviette hygiénique » no tsara ampiasaina. Raha azo atao dia « serviette hygiénique » lamba sy mety sasana no safidiana raha manao « sècheresse vaginale » satria ireo « jetables » dia mety mitahiry « substances irritantes ». Fadiana ny mampiasa « tampon » satria sady mampijaly ny manatsofoka azy no mety vao maika mampisy « irritation » ao amin’ny fivaviana ihany koa ny fijanony ao.
Milona rano ela loatra
Raha manao « sècheresse vaginale » dia tsy tsara ny milona rano ela loatra, na rehefa mandro na rehefa milomano izany. Mety hiditra ao amin’ny fivaviana ny rano ka lasa hampihombo ny fahamainan’ny fivaviana. Ny milona ao anaty dobo filomanosana moa no isany tena tandremana satria ny « chlore » ao amin’izy ireny dia mety vao maika hanasaro-javatra.
Mifoka sigara
Ny sigara dia mampibontsina ny lalan-drà ao amin’ny « parois » ny fivaviana ka lasa manelingelina ny fikorian’ny rà. Raha izany no mitranga dia lasa mihena ny fanamandinana ara-boajanaharin’ny fivaviana ka mampihombo ny « sècheresse vaginale ».