• Cours de change
  • 5042.92 AR
  • |
  • $4488.02 AR
Copyright Image : © Save The Children
Image
Vaovao

Fampianarana : Efitrano fianarana miisa 252 simba noho ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi

16/01/2025 12:45 © Moov

Nahitana fiantraikany mavesatra tamin’ny lafiny fampianarana tany amin’ny tapany avaratry ny Nosy ihany koa iny ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi. Efitrano fianarana miisa 252 no nahitana fahasimbana na simba tanteraka vokatr’izany, raha ny tatitry ny Birao nasionaly ho fandrindrana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC).

Miisa 98 ireo efitrano simba tanteraka

Ankoatra ny olan’ny fampianarana amin’ny ankapobeny dia mitombo indray izany noho iny rivodoza farany teo iny. Mpianatra amana’arivony no tsy afaka hisitraka sekoly fianarana manaraka ny rafitra noho ny fahasimbana isan-karazany. Raha ny tatitry ny BNGRC dia miisa 98 ireo efitrano fianarana rava tanteraka tamin’izany. Hatreto dia ahitana betsaka indrindra amin’izany ny ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana (CISCO) Ambilobe, nahitana trano rava tanteraka miisab 42. Manaraka izany ny ao Vohémar, miisa 20. Ny ao Ambanja miisa 18 ary ny ao amin’ny CISCO Diego II kosa miisa 15. Ny ao amin’ny CISCO Maroantsetra sy Mananara Avaratra kosa ahitana efitrano rava miisa 3.
Etsy ankilany kosa anefa dia miisa 72 ireo efitrano simba amin’ny ampahany ary 82 ireo simba ny tafo. Karazany maro ny fisheoan’ireto fahasimbana ireto. Ao anatin’izany ny efitrano dibodrano ka tsy afaka nampiasaina. Eo ihany koa ny fahasimban’ny varavarana na ny tafo. Ankoatra izany moa ny fahasimbana tanteraka amin’ireo efitrano.

Mpianatra miisa 8 962 tsy afaka mianatra

Vokatr’ireo fahasimbana ireo dia mpianatra miisa 8 962 no tsy afaka nianatra taorian’ny fandalovan’io rivodoza io. Betsaka indrindra amin’izany ny tao amin’ny DREN Diana izay nahitana mpianatra miisa 6 436. Nanaraka izany ny tao amin’ny faritra SAVA, nahitana mpianatra miisa 1 913 ary 613 kosa ny tao amin’ny DREN Analanjirofo. Mifangaro ao anatin’izany avokoa ny mpianatra amin’ny ambaratonga fototra sy ny sokajy faharoa. Etsy ankilany dia efa mizotra ny fanapariahana ny fanampiana hanarenana ny lesoka rehetra. Ao anatin’izany ny fizarana fitaovam-pianarana. Eo ihany koa ny fanampiana ireo mpisehtra any an-toerana mba hamaha ny olana. Mpikambana 6 ao amin'ny Vondron’ny Sehatra Fanabeazana (Groupe Sectoriel Education) ahitana ny avy ao amin’ny MEN 4 sy UNICEF 2 ho an'ny Vohemar sy Ambilobe, Diego II ary Nosy Be.

Lire la suite

Articles Similaires