• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aufeminin.Com
Image
Reny&Zaza

Zaza mandoa sy mivalana : tandremana tsy ho « déshydraté »

03/12/2024 16:12 © Moov.Mg

Toe-javatra matetika mpahazo ny zaza ny mandoa sy mivalana. Mila jerena akaiky ny mety fahaverezan-drano be loatra aterak’izany eo amin’ny zaza izay mety hitarika fahafatesana. Andeha ho resahana eto ireo rehetra tsara fantatra mikasik’zany.

Ny antony hanaraha-maso ny fahaverezan-drano eo amin’ny zaza mandoa sy mivalana

Rehefa mandoa be sy mivalana ny zaza dia mamoaka rano betsaka ny vatany. Raha toa ka mandoa na mivalana matetika be ilay zaza dia atahorana ho lasa « déshydraté ». Ny « déshydratation » dia mety mitarika fahasarotana ara-pahasalamana eo amin’ny ary mety mahafaty ka izay no antony tsy maintsy hanaraha-maso tsara azy. Mila manantona mpitsabo malaky arak’izany raha mandoa sy mivalana matetika ny zaza. Ankoatra ny fanafody fitsaboana azy dia asain’ny mpitsabo omena SRO na "iray sy valo" izy.

Inona no antony hanomezana SRO na iray sy valo ny zaza ?

Maro amintsika no mihevitra fa rehefa « déshydraté » ny zaza dia tsy ampy rano fotsiny ihany no antony izany. Noho io antony io dia misy ireo manao tsirambina ny fanomezana SRO na iray sy valo azy. Marihana nefa rehefa mandoa sy mivalana ny zaza dia very miaraka amin’ny rano ny « électrolytes » ao amin’ny vatany. Ny « électrolytes » dia karazana singa maro ilain’ny vatana toy ny sodium (sodium), potassium, calcium, magnésium… Mba hanoherana ireo fahaverezana ireo sy hisorohana ny « déshydratation » izany no antony tsy maintsy hanomezana matetika SRO na iray sy valo ny zaza mandritra ny tontolo andro.

Inona no atao hoe SRO sy iray sy valo ?

Ny SRO na Soluté de Réhydratation Orale dia fanafody miendrika zava-pisotra omena ny zaza mba hanoherana ny rano, indrindra ny « électrolytes » very rehefa mandoa sy mivalana matetika izy. Fanafody ahitana karazana « électrolytes » maro misoroka ny « déshydratation sévères » izy io ary vidiana eny amin’ny farmasia.
Mitovy fomba fiasa amin’ny SRO ihany ny iray sy valo ary afaka amboarina ao an-trano. Rano madio avy nampangotrahana sy nampangatsiahana 1 litra no afangaro amin’ny sira 1 sotrokely sy siramamy 8 sotrokely. Azo tehirizina mandritra ny adiny 12 ora amin’ny toerana mangatsitsiaka na adiny 24 ora anaty vata fampangatsiahana ny iray sy valo.

Lire la suite

Articles Similaires