• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jib Home
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra mikasika ny atao hoe « tétraplégie »

03/12/2024 11:34 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mitranga tokoa ny hoe nianjera mafy, tratry ny lozam-pifamoivozana na voadona mafy dia lasa nalemy ny rantsam-batana ka izay no atao hoe « tétraplégie ». Amin’izao andro maneran-tany natokana ho an’ny olona manana fahasembanana izao dia ho resahana manokana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « tétraplégie ».

Inona no atao hoe « tétraplégie » ?

Ny « tétraplégie » dia karazana « paralysie » izay mahavoa ny rantsam-batana efatra, dia ny tongotra sy ny tanana izany. Amin’ny ankapobeny dia vokatry ny ratra eo anivon’ny tadin'ny hazon-damosina (moelle épinière) izany. Ny tadin’ny hazon-damosina no mampifandray ny atidoha sy ny vatana. Rehefa misy tsy fahatomombanana eo amin’io faritra io dia tsy afaka mibaiko ara-dalàna ny hozatra intsony ny atidoha ka izay no mahatonga ny tsy fahafahan’ireo rantsana mietsika na mahatsapa n’inon’inona intsony.

Ireo antony mety mahatonga ny « tétraplégie »

Araka ny voalaza teo ambony dia ny ratra na ny « choc » mafy nahavoa ny tadin’ny hazon-damosina no mahatonga ny « tétraplégie ». Isan’ireo antony matetika mahatonga izany ny :
-Lozam-pifamoivoizana ;
-Fianjerana mafy ;
-Ratra nandritra ny fanaovana fanatanjahantena ;
-Aretina mahavoa ny tadin’ny hazon-damosina.

Ny fiantraikan’ny « tétraplégie » eo amin’ny olona tratr’izany

Tsy voatery mitovy ny fiantraikan’ny « tétraplégie » eo amin’ny olona tsirairay. Miankina betsaka amin’ny faritra voadoana na maratra amin’ny tadin’ny hazon-damosina sy amin’ny fahasarotan’izany ny fiantraikany.
Ny olona « tétraplégique » dia mety ho sahirana mampihetsika ny tanana sy ny tongotra manontolo. Mety tsy hahatsapa hafanana na hatsiaka amin’ireo faritra ireo ihany koa izy. Misy ihany koa ireo tsy mahavita mibaiko ny « fonctions corporelles » toy ny fandevonan-kanina, ny fikorian’ny rà, ny « respiration » …
Misedra fahasarotana sy olana samihafa ny olona « tétraplégique » amin’ny fiainana andavanandro. Mety ho mila fanampiana hatrany izy ireo rehefa misakafo, misolo akanjo, mamindra… Misy ihany koa nefa ireo olona sasany afaka mampiasa « fauteuil roulant » na mampiasa fitaovana manokana ahafahany tsy miankin-doha be loatra amin’ny hafa amin’ny fiainany andavanandro.

Ny fitsaboana sy ny fanohanana ireo olona « tétraplégiques »

Mbola tsy misy ankehitriny ny fitsaboana afaka manasitrana ny « tétraplégie ». Efa mandroso miandalana ireo fikarohana sy fitsaboana ataon’ireo manam-pahaizana any ivelany mba hanatsarana ny fitsaboana ny tadin’ny hazon-damosina. Manampy betsaka ireo marary ny « thérapies physiques » sy ny « rééducation » mba ahafahany miaina miaraka amin’ny « tétraplégie ». Raha ny any ivelany manokana dia efa misy ireo fivoarana ara-teknolojia manatsara ny andavan’andron’izy ireo, toy ny « fauteuils roulants motorisés », « applications » manatsara ny fifandraisana amin’ny hafa, « ny robots d’assistance »…

Lire la suite

Articles Similaires