Fampiakarana ho 25% ny IRSA : Tsy ao anaty tetibolam-panjakana 2025, hoy ny Praiminisitra
Niteraka resabe efa hatramin’ny volana aogositra 2024 no mankaty, ny mety ho fampiakarana ny hetra alaina amin’ny karama (IRSA) ho lasa 25%, ho an’ny sokajin-karama mihoatra ny 2 tapitrisa ariary. Nanamafy ny avy eo anivon’ny Primatiora, fa tsy hisy izany, raha ho an’ny taona 2025.
Lainga afafy
Raha ny filazana navoakan’ny fitaleavana ankapobeny momba ny hetra eto Madagasikara, izay nosoniavin’ny tale jeneralin’ny hetra tamin’ny 8 aogositra 2024, dia tolo-kevitra avy tamin’ny mpamatsy vola, nandritra ny fifampiresahana tamin’ny Fanjakana Malagasy, no nipoiran’ny hevitra ny amin’ny mety hampiakarana ny IRSA eto Madagasikara, fa tsy fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta malagasy akory. Ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana ihany mantsy no afaka mamaritra ny fiakaran’ireo karazan-ketra misy eto Madagasikara. Nanamafy, noho izany, ny praiminisitra Ntsay Christian, tao anatin’ny filazana navoakan’ny Primatiora androany 7 aogositra 2024, fa nitsipaka ny fampiharana io tolo-kevitra io ny tenany sy ny Governemanta izay tarihiny. « Lainga afafy ny filazana fa hisy ny fampitomboana ny tahan’io hetra IRSA io amin’ny taona 2025 », hoy hatrany ny fanambarana.
Mijanona ho 20%
Raha fehezina dia tsy ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana 2025 ny fanovana ny tahan’ny IRSA. Araka izany, mijanona ho 20% ny tahan’ny hetra alaina amin’ny sokajin-karama ambony indrindra. Amin’izao fotoana izao, raha ny Fehezan-dalàna momba ny hetra, dia 0% ny tahan’ny IRSA ho an’ireo izay mandray karama latsaky ny 350 000 ariary ; 5% ho an’ny karama eo anelanelan’ny 350 001 ariary sy 400 000 ariary ; 10% ho an’ny karama eo anelanelan’ny 400 001 ariary sy 500 000 ariary ; 15% ho an’ny karama eo anelanelan’ny 500 001 ariary sy 600 000 ariary ; ary 20% ho an’ny mpiasa ao anatin’ny sokajin-karama ambonin’ireo.