• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Temps
Image
Vaovao

Etazonia : Amerikana maherin’ny 40 tapitrisa no efa nifidy filoham-pirenena

30/10/2024 08:48 © Moov

Ny 5 novambra ho avy izao no daty ofisialy voatondro hanatanterahana ny fifidianana ao Etazonia. Daty farany nefa izy io satria efa mandeha ny fifidianana amin’ny endriny samihafa.

Fifidianana mialoha manerana an’i Etazonia

Samy mikarakara ny Fifidianana ireo firenena 50 mandrafitra an’i Etazonia : izany no atao hoe « Élection décentralisée ». Samy manana ny fandaminany araka izany. Amin’ny ankapobeny nefa, misy ny atao hoe « vote anticipée » mba hahafahana mifidy mialoha. Izany moa dia natao mba hisorohana ny filaharana lavareny eny amin’ny biraom-pifidianana. Ho an’ireo tsy te hivezivezy kosa, misy ny « vote par correspondance ». Alefa anaty valopy mihidy ny safidy. Azo heverina fa stratejia hamporisihana ny fahavitrihan’ny mpifidy izany. Hatramin’ny omaly 29 oktobra, 41 tapitrisa eo ho eo ny mpifidy efa nanatanteraka ny adidiny, araka ny tatitry ny RTBF. Amin’ny 5 novambra izany no daty farany hahafahana mifidy.
Tsara ny manamarika fa tsy ny filoham-pireneny ihany no fidian’ny Amerikana amin’izao fotoana izao. Fidiana avy hatrany ihany koa ny filoha lefitra, ireo solombavambahoaka sy ireo senatera.

Ahoana ny fizotran’ny fifidianana ?

Misy ny atao hoe « grands électeurs », izay olom-pirenena tendren’ireo vondrona politika, ka ireo no mitondra ny safidy. Arakaraka ny isan’ny mponina ao anaty firenena iray no isan’izy ireo, fa mitontaly 538. Californie, firenena amerikana be mponina indrindra ohatra, dia manana grands électeurs miisa 55. 38 ny an’i Texas raha samy 29 ny an’i Floride sy New York. Ny kandida filoham-pirenena mibata ny fandresena izany dia izay mahazo ny safidy 270 farafahakeliny.
Mazava ho azy fa efa misy ireo firenena efa fantatra ny safidiny : "Bleu démocrate" na "Rouge Républicain". Hatreto aloha, araka ny tatitry ny RTBF hatrany, manana « grands électeurs » manohana miisa 225 i Kamala Harris, ary 219 ny an’i Donald Trump. Misy kosa nefa ireo antsoina hoe "Swing States" na "Etats Pivots" (toa an'i Arizona, Michigan sy Pennsylvanie) izay mbola tsy fantatra mazava ny kandida tohanany. Ny safidin'ireo izany no hamaritra ny voka-pifidianana. Mba hahazoana ny "majorité 270", samy mila mitady "grands électeurs" fanampiny ireo kandida roa : 51 ny an'i Donald Trump ary 45 ny an'i Kamala Harris.

Iza no mety hironan’ny safidin’ny Amerikana ?

Mbola te hiara-dalana amin’i Donald Trump ve ny Amerikana na teo aza ireo fanenjehana ara-pitsarana io filoham-pirenena teo aloha io ? Sa hanome lanja kandida vehivavy mainty hoditra, Kamala Harris, izy ireo ka hiaina rivo-baovao ? Samy manana ny maha-izy azy ireo kandida roa.
Raha ny « sondages » no jerena aloha dia samy be mpanaraka izy ireo. Donald Trump, filoham-pirenena amerikana faha-45 (2017-2021), no nandimby an'i Barack Obama. Teraka ny taona 1946 ny tenany, ka 78 taona izany izy izao. Mpandraharaha ny tenany, ka manana anjara amina sehatra maro. Tamin'ny fitondrany dia nanamafy ny fitsipika mifehy ny fifindra-monina ny tenany. Nanamarika ny vahoaka ihany koa ny fanenany ny hetra sy ny adidy isan-karazany tsy maintsy aloha amin'ny Fanjakana. Nisy ihany koa ny ady ara-barotra izay nifanandrinany tamin'ny Chine, ka nahatonga ny anaram-bositra hoe "Antichinois". Mazava ho azy fa mbola mifantoka tanteraka amin'ny resaka fifindra-monina sy ny ekonomia io kandida "républicain" io. Kandida tamin’ny Fifidianana 2020 ihany koa ny tenany, saingy resin’i Joe Biden. Anisan’ny niampangana azy ny fikasana hanova ny voka-pifidianana tany Géorgie.
I Kamala Harris kosa (candidate démocrate), dia 60 taona amin'izao fotoana izao. Hita taratra fa manome lanja ny vehivavy izy, ary mampanantena fa mbola halalaka ny IVG any Etazonia. Efa senatera ity kandida ity, ary nikasa nirotsaka tamin'ny fifidianana filoham-pirenena 2020 saingy tsy ampy vola. Anisan'ny tanana ankavanan'ny filoham-pirenena Amerikana ankehitriny Joe Biden izy. Tsy misy miafina aminy araka izany ny mikasika ny toe-draharahan'i Etazonia, amin'ny lafiny rehetra.
Tsara ny manamarika fa ny 20 janoary 2025 no hanatanterahana ny fianianana (investiture) ho an’izay filoham-pirenena faha-47-n’i Etazonia.

Lire la suite

Articles Similaires