• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metatrone
Image
DIY

Finday latsaka anaty rano na lenan'ny orana, inona no tokony atao ?

23/10/2024 08:20 © Moov

Noho ny fahamaizana na ny tsy fitandremana, mety ho latsaka anaty rano ny finday. Misy ireo maodely "waterproof" izay tsy matahotra rano toy ny iPhone. Ny ankabeazan'ireo finday be mpampiasa kosa nefa dia matahotra rano avokoa.

Tsy tonga dia ezahina velomina

Voa maika manimba ny finday ny famelomana azy. Matetika mantsy dia maty avy hatrany ny écran raha vao milatsaka anaty rano na kasihan-drano. Tsara kokoa raha fafana tsara ilay finday lena, ary atao izay hahamaina azy tsara vao velomina. Maro ireo singa mety tsy ho avotra intsony raha misy "court-circuit" noho ny rano, rehefa iny ezahina velomina iny. Mila maka fotoana tsara izany hikarakarana ilay finday. Tsy azo atao ihany koa ny "mi-charge" ilay finday raha tsy azo antoka fa maina tsara izy.
Raha mbola mandeha aza ny "écran" rehefa avy navotana tanaty rano ilay finday, tsara kokoa raha vonoina avy hatrany ilay fitaovana.

Hamainina amin'ny brushing sy vary

Ny tena mahazatra dia ny fanamainana ny finday amin'ny brushing. Tsara kokoa raha rivotra mangatsiaka no alefa satria mety hanimba zavatra ny rivotra mamay, mandritra ny 30 minitra raha kely indrindra. Raha mety miala ny "batterie" dia voa maika tsara. Tsofina avokoa ireo faritra misy "entrée" na bokotra rehetra. Amin'izy ireny mantsy no tena idiran'ny rano. Esorina ihany koa ny "puces" sy ny "carte mémoire SD". Raha tiana ho maina tanteraka ny rano dia alefa anaty fotsim-bary ny finday ka avela ao mandritra ny adiny iray raha haingana indrindra.
Rehefa vita izany dia tsy velomina avy hatrany ny finday, fa avela hijanona eo fotsiny aloha. Raha ny hariva no nahalatsahany tanaty rano, ny ampitso maraina vao tsara velomina na dia efa atao avokoa aza ireo fombafomba fanamainana azy rehetra.

Entina any amin'ny mpanamboatra finday

Raha tsy mety velona intsony ny finday na misy fahasimbana aorian'ny fanamainana azy dia tsara kokoa raha manantona olona matihanina. Mety ho sokafana tanteraka ilay finday ka hamainina izay rano tavela, ary soloina izay singa simba.
Tsara ny mitandrina tsara ny amin'ireny finday tsy mahatanty rano ireny :
-Tsy tokony entina mandehandeha anaty paosy ny finday raha toa ka hikarakara sakafo ao an-dakozia na ho any amin'ny trano fidiovana ;
-Tsy azo apetraka eo akaikin'ny finday sy solosaina ny kaopy fisotroana rano, indrindra ho an'ireo mpiasa birao ;
-Raha avy ny orana dia tsara kokoa raha apetraka anaty "sachet" ny finday. Efa misy ihany koa ireo mivarotra "housse" natao hiarovana ny finday amin'ny rano, rehefa avy ny orana, na mikasa hiala voly amin'ny toerana misy "piscine" na eny amoron-dranomasina.

Lire la suite

Articles Similaires