Herinaratra : Misy fahabangana 18 MW ao amin’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo
Misy fahabangana tombanana ho 18 MW amin’izao fotoana izao ny Tambazotra iraisan’Antananarivo, vokatry ny haintany sy ny fidinan’ny haavon’ny rano ao amin’ny tohodranon’Andekaleka. Nisy ny fepetra noraisin’ny orinasa JIRAMA, manoloana izany olana izany.
Mihena ny vokatra azo amin’izao haintany izao
Misy fiantraikany amin’ny haavon’ny rano ao amin’ny tohodranon’Andekaleka ny haintany izay efa manomboka miditra tsikelikely amin’izao fotoana izao. Raha ny fanazavan’ny JIRAMA dia manome manodidina ny ampahatelon’ny herinaratra vatsiana ao amin’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo ity tohodrano ity. Ny fihenan’ny tahirin-drano dia miteraka fidinan’ny vokatra herinaratra azo ampiasaina.
Tombanana ho 18 MW ny fahabangana eo amin’ny Tambazotra, raha ny tatitra. Hita taratra izany indrindra amin’ny fotoana mampiakatra ny filàna herinaratra, izany hoe amin’ny hariva. Noho izany, dia voatery hampihatra fahatapahan-jiro mifandimby ny JIRAMA mba hampifandanjana ny vokatra azo sy ny filàna herinaratra. Eo anelanelan’ny amin’ny 5 ora hariva hatramin’ny 9 ora alina no tena hampiharana izany, izay ora maha betsaka ny filàna herinaratra. Tombanana ho adiny roa eo ho eo ny faharetan’ny fahatapahana tsirairay, arakaraka ny filàn’ny tambazotra sy ny fivoaran’ny toe-draharaha.
Orana artifisialy no vahaolana iray
Manoloana izany toe-draharaha izany, dia nilaza ny JIRAMA fa mitady hatrany ny vahaolana hahafahana mampitombo ny vokatra herinaratra. Anisan’ny fepetra heverina ny fandatsahana orana artifisialy eny amin’ny faritry ny sahandriakan’Andekaleka.
Araka ny vaovao avy amin’ny sampana misahana ny toetr’andro, dia feno ny fepetra hahafahana manatanteraka izany hetsika izany amin’izao fotoana izao. Voalaza fa kasaina hatao rahampitso alakamisy sy zoma izao io fandatsahana orana artifisialy io, mba hampitomboana ny rotsak’orana any amin’ny faritra voakasika.
Tanjona amin’izany ny hampitomboana ny rano azo ampiasaina amin’ny famokarana herinaratra. Mbola zava-dehibe hatrany araka izany ny famenoana ny haavon’ny rano ao Andekaleka mba hahafahan’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo mamokatra herinaratra hatrany.




