Rafitry ny fahasalamana : Mamoaka farmasianina vita fiofanana miisa 70 isan-taona i Madagasikara
Farmasianina manodidina ny 70 isa isan-taona no vita fiofanana eto Madagasikara, ary heverina fa mbola hiakatra io isa io. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Farmasianina, notontosaina teto Mahajanga, androany zoma 25 septambra 2026.
Ivon-toeram-piofanana miisa roa
Araka ny fanazavan’ny Dr Lee Rindra Raoelinavalona, filohan’ny Holafitry ny Farmasianina eto Madagasikara, dia ivon-toeram-piofanana roa lehibe no manofana farmasianina eto amin’ny firenena, dia ny any Antananarivo sy ny eto Mahajanga. Raha atambatra, manodidina ny 70 ireo farmasianina mivoaka isan-taona, eto amintsika. Mety hitombo izany isa izany, indrindra noho ny vinavina hanovana ho fakiolte manokana ny sampam-piofanana momba ny farmasia, ao amin’ny Anjerimanontolon’Antananarivo, roapolo taona taorian’ny nananganana ny “Mention Pharmacie”. Anisan’ny tanjona ny hahafahan’ireo farmasianina vaovao miparitaka manerana ny faritra, indrindra any amin’ireo toerana mbola tsy ahitana farmasia.
Namafisin’ny filohan’ny Holafitry ny Farmasianina fa tsy mijanona amin’ny fizarana sy fanaraha-maso ny fanafody ny asan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanabeazana ara-pahasalamana, ny fanaraha-maso ny fampiasana fanafody amin’ny alalan’ny “pharmacovigilance”, ary ny ady amin’ny fanafody hosoka sy tsy manara-penitra. Notsindriany, etsy an-daniny, fa miova manaraka ny fivoaran’ny teknolojia sy ny filàn’ny fahasalamam-bahoaka ny asan'ny farmasianina. Noho izany, ilaina hatrany ny fanamafisana ny fiofanana fototra sy ny fiofanana mitohy ho azy ireo.
Hamafisina ny andraikitry ny farmasianina
Ho an’ny Dr Ramilijaona Andriatiana Julio, talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao Boeny, dia natao hampahatsiahivana ny andraikitry ny farmasianina eo anivon’ny rafitry ny fahasalamana ity androany ity. “Tsy mpivarotra fanafody fotsiny” izy ireo, hoy izy, fa mpanome torohevitra, mpanara-maso ny fanafody ary mpiantoka ny fahazoan’ny marary ny fitsaboana ilainy.
Tetsy an-daniny, nampanantena ny fanohanan’ny fitondram-panjakana ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Adakalo Nasolo, indrindra amin’ny fampanarahan-dalàna momba ny fanapariahana ny farmasia. Nambarany fa isan’ny laharam-pahamehan'ny fitondrana Fanavaozana ny fahasalamam-bahoaka sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina.
Tolotra ara-pahasalamana ho an’ny rehetra
Teny anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’i Mahajanga no nanatanterahana ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny farmasianina, androany, tao anatin’ny lohahevitra hoe : « Fanomezana lanja ny andraikitry ny Farmasianina, ho fanatsarana ny fahasalamana ». Ankoatra ny diabe sy ny “zumba” ary ny lahateny nifandimbiasana, dia nisy ihany koa ireo tranoheva fampirantiana, nanolotra torohevitra ara-pahasalamana ary nanatanteraka fitiliana maimaim-poana ny VIH/SIDA sy ny diabeta.
Ho an’ny filohan'ny delegasiônina manokan'ny Kaominina Ambonivohitr’i Mahajanga, Guy Dolsain Arvely, tokony hojerena ihany koa ny fahafahan’ny mponina mahazo fanafody amin’ny vidiny zakany. Niantso ny farmasianina izy, noho izany, mba hiezaka hitazona ny vidin’ny fanafody ho takatry ny besinimaro.




