• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fifamoivoizana : Hampianarina mampiasa ny jiro telo loko ireo mpampiasa lalana eny Analakely

22/09/2026 16:45 © Moov

Navaozina sy natsaraina amin’ny alalan’ny dingana vaovao ny fifamoivoizana eny Analakely, taorian’ny fametrahana ireo jiro famantarana ny fifamoivoizana manoloana ny Pharmacie de l’Océan Indien. Hatramin’ny nampandehanana azy ireo tamin’ny herinandro lasa teo, dia misy ny fanentanana sy fampahafantarana ireo mpampiasa lalana, mba hanazarana azy amin’ireo jiro famantarana vaovao eny an-dalana.

Ampanarahana lalàna tsikelikely ny mpampiasa lalana

Tanterahina mandritra ity herinandro ity io hetsika fampahafantarana ny fitsipika io, ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no manatanteraka azy. Napetraka manoloana ny Pharmacie de l’Océan Indien, eny Analakely, ireo fitaovana ireo ary nanomboka niasa ny zoma lasa teo. Misy ny mpitandro filaminana avy amin’ny polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena eny an-toerana, mitarika sy manoro ireo mpamily, mpitondra moto sy bisikileta ary mpandeha tongotra.
Taorian’ny fampiatoana ny fampiasana ireo jiro ireo nandritra ny faran’ny herinandro dia naverina nampandehanana izany ny omaly alatsinainy. Raha mbola misy ireo misalasala amin’ny fampiasana azy ireo dia efa maro ireo mpampiasa lalana no nanaraka tsy tapaka ny toromarika. Mitohy hatrany ny fanentanana, mba hahafahan’ny tsirairay mizatra tsikelikely ny amin’ny fampiasana ireo jiro telo loko ireo. Marihina moa fa eo Analakely no nanombohana ny fametrahana azy, saingy hiparitaka manerana ny toerana maro izany.

Fitsipika tokony ho hain’ny mpampiasa lalana rehetra

Loko telo no tena iankinan’ny fiasan’ireo jiro famantarana. Ny mena dia manome baiko hampijanona ny fiara, moto ary bisikileta, raha manome alalana ny mpandeha an-tongotra hanomboka hiampita kosa izany. Ny volomboasary manambara fa efa akaiky ny fiovan’ny dingana ka tokony hampihena ny hafainganam-pandeha ny mpamily. Ny maitso kosa dia manome alalana ny fandehanana, saingy mila jerena kosa raha efa malalaka ny lalana ary azo tanterahina tsy misy loza ny fandehanana.
Amin’izao fotoana izao moa dia mbola manampy eny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Mamaly ireo fanontaniana sy mampatsiahy ny fitondran-tena tokony harahin’ireo mpampiasa lalana samihafa ny antom-pisian’izy ireo.
Amin’ny ankapobeny, ireo jiro famantarana ireo dia natao hanatsarana ny fandrindrana ny fivezivezena sy hanampiana amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana amin’iny faritra be mpivezivezy iny. Raha ny nambaran’ireo Polisy, eny an-toerana, dia efa nalalaka kokoa fitohanana, rehefa samy nampiasa ireo jiro ny mpampiasa lalana.

Lire la suite

Articles Similaires