Tetikasa CLASSES : Sekoly vaovao 3 atsangana ao Sakaraha, ho an’ireo ankizy any amin’ny toeram-pitrandrahana safira
Sekoly vaovao telo no eo am-pamaranana ny fanorenana azy, ao amin’ny Distrikan’i Sakaraha. Nokendrena indrindra izany mba hiantsoroka ny fanabeazana ireo ankizy monina any amin’ireo tanàna manodidina ny toerana fitrandrahana safira. Tanjona ny hanomezana toerana azo antoka sy sahaza hianaran’ireo ankizy, izay mbola miatrika fahasarotana amin’ny fahazoana fotodrafitrasa ara-panabeazana.
Fotodrafitrasam-panabeazana
Ny fikambanana tsy miankina ASOS (Action Socio-sanitaire Organisation Secours) no manatanteraka ity fananganana sekoly any Sakaraha, Faritra Atsimo Andrefana ity, amin’ny alalan’ny tetikasa CLASSES (Contribution Large à l'Amélioration de la Scolarisation, de la Santé et de l'Environnement des Enfants), izay tohanan’ny ONG frantsay PARTAGE. Sambany, ho an’ny ASOS Madagascar, ny firotsahana an-tsehatra amin’ny fanarenana sy fananganana fotodrafitrasam-panabeazana tahaka izao.
Ao anatin’ity tetikasa ity dia sekoly miisa roa no efa navaozina, raha sekoly miisa telo kosa no atsangana vaovao. Anisan’ireo toerana iasana ny ao Nosiarivo, Antaralava Pont, Antaralava Saphir ao amin’ny Kaominina Miary Lamatihy ; Beba Manamboay ao amin’ny Kaominina Sakaraha, ary Tanandava Ifantso ao amin’ny Kaominina Miary Taheza.
Manomanana ny hoavin’ny ankizy
Talohan’ny fanatanterahana ity tetikasa CLASSES ity, dia maro ireo ankizy no voatery nianatra tany anaty trano fiangonana na teny ambodihazo, noho ny tsy fahampian*a na tsy fisian’ny fotodrafitrasa. Azo heverina, araka izany, fa hampiroborobo kokoa ny sehatry ny fanabeazana sy ny fanovozam-pahalalan’ireo ankizy ao amin’ny distrikan’i Sakaraha, ny fisian’ireo sekoly vaovao sy vao natsaraina ireo.
Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, amin’ny alalan’ny fitaleavam-paritry ny Fanabeazana (DREN) Atsimo Andrefana sy ny fari-piadidiam-pampianarana (CISCO) Sakaraha, ny ASOS amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Tanjona ny hanatsarana ny tontolon’ny fampianarana sy ny hanamafisana ny fahazoan’ireo ankizy fanabeazana mendrika.
Ireo fikambanana tsy miankina (ONG) ASOS sy PARTAGE moa dia samy miasa ho an’ny fahasalaman’ny ankizy, ny fiarovana azy ary ny fampandrosoana ny fiarahamonina. Mametraka ny fanabeazana ho anisan’ny fototra lehibe hanomanana ny hoavin’ny ankizy izy ireo, indrindra ireo any amin’ny toerana marefo.




