• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fiarovana ny zavaboary : Nanome voninahitra ireo mpikaroka momba ny tontolo iainana ny Fanjakana malagasy

27/08/2026 16:38 © Moov.Mg

Nanolotra mari-boninahitra ho an’ireo manam-pahaizana mpikaroka telo manana ny lazany eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana ny Fanjakana malagasy. Nankasitrahana tamin’izany ny asa vitan’ny Pr Jonah Ratsimbazafy, ny Dr Russell Alan Mittermeier ary ny Pr Steven Michael Goodman, izay samy nandray anjara, nandritra ny taona maro, tamin’ny fikarohana, fampahafantarana ary fiarovana ny harena voajanahary miavaka eto Madagasikara.

Mari-boninahitra ho an’ny asa fikarohana

Teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, androany 27 aogositra 2026, no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo mari-boninahitra ho an’ireto andrarezin’ny fikarohana ireto. Ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Randrianirina Michaël, no nanolotra izany ho fankasitrahana ny asa sy ny ezaka vitan’ireto mpikaroka telo ireto. Nahazo ny mari-boninahitra « Grand Officier de l’Ordre National » ny Pr Jonah Ratsimbazafy. Nomena ny mari-boninahitra « Commandeur de l’Ordre National » kosa ny Dr Russell Alan Mittermeier sy ny Pr Steven Michael Goodman.

Araka ny nambaran’ny avy anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, dia natao ho fanomezam-boninahitra ireo olona nahavita be sy nanome lanja ny sehatra iandraiketany ny fanolorana mari-boninahitra tahaka izao. « Rehefa misy ny ezaka vita dia rariny sy hitsiny raha omena lanja ny olona sy mpisehatra nanatontosa izany », hoy ny fampitam-baovao.

Pr Jonah Ratsimbazafy, manam-pahaizana momba ny varika

Efa nandritra ny 30 taona no niasan’i Pr Jonah Ratsimbazafy teo amin’ny sehatry ny fikarohana sy ny fiarovana ny harena voajanahary. Filohan’ny Groupe d’Étude et de Recherche sur les Primates de Madagascar (GERP) izy ary anisan’ireo mpikaroka malagasy manana ny lazany eto an-toerana sy maneran-tany. Izy no Malagasy sy Afrikanina voalohany voafidy ho filohan’ny International Primatological Society (IPS). Anisan’ny nanokanany ny fikarohana nataony ny fiarovana ny varika, izay karazam-biby tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Izy ihany koa no nahita ny Microcebus jonahi, iray amin’ireo karazana varika madinika indrindra.

Nankasitraka ny asa vitany ny Filohan’ny Fanavaozana. « Zava-dehibe loatra ny fikarohana nataonao. Tsy ho an’i Madagasikara ihany izany fa ho an’izao tontolo izao », hoy izy tamin’i Professeur Jonah Ratsimbazafy.

Dr Mittermeier, nanao an’i Madagasikara ho laharam-pahamehana

Anisan’ireo nomena voninahitra ihany koa ny Dr Russell Alan Mittermeier, manam-pahaizana momba ny karazanjavamananaina manana ny lazany maneran-tany. Nandray anjara tamin’ny fampahafantarana an’i Madagasikara ho isan’ireo firenena tokony atao laharam-pahamehana izy, amin’ny lafiny fiarovana ny harena voajanahary.

Anisan’ny nandraisany anjara lehibe ny fanetsehana famatsiam-bola ho fiarovana ireo karazam-biby sy zavamaniry tandindonin-doza ary ny valanjavaboary eto Madagasikara. Nandray anjara tamin’ny fametrahana an’i Beza Mahafaly ho faritra arovana ihany ko aizy, sy tamin’ny fananganana ny « Plan d’Action Environnemental » voalohany teto Madagasikara. Ankoatra izay dia mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara, amin’ny tetikasa « Lemur Bond » sy amin’ny fanatrarana ny tanjona 30x30, ny Dr Russell Alan Mittermeier.

Pr Goodman, nahita karazam-biby maro, harena miavak’i Madagasikara

Efa 37 taona kosa no niseharan’ny Pr Steven Michael Goodman tamin’ny fikarohana sy ny fiarovana ny harena voajanahary eto Madagasikara. Biolojista sy mpikaroka manana ny lazany maneran-tany izy, sady mpampianatra mpikaroka amina oniversite maro eto amin’ny firenena. Maherin’ny 90 ny karazam-biby sy zavamaniry tsy misy afa-tsy eto Madagasikara izay izy no nahita azy. Miisa 770 kosa ny lahatsoratra ara-tsiansa navoakany, ankoatra ireo boky 30 nosoratany momba ny harena voajanahary sy ny faritra arovana eto Madagasikara.

Nanome fankasitrahana ireo mpikaroka roa nandany fotoana ela teto Madagasikara ny filohan’ny Fanavaozana. Namafisiny fa mijanona ho ohatra tsara, ho an’ny mpikaroka sy ny mpisehatra amin’ny tontolo iainana manerana izao tontolo izao, ny asa vitan’izy ireo.

Tontolo iainana miatrika fanamby maro

Nisaotra ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana ihany koa ny kôlônely Randrianirina Michaël, ary nanamafy fa tokony hotohizina hatrany ny ezaka fiarovana ny harena voajanahary. « Tokony hatao ny ezaka rehetra tsy handovan’ny taranaka ny faharavan’ny ala », hoy ny Filohan’ny Fanavaozana.

Etsy an-daniny, nanamafy ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy (MEDD) fa hanohy ny fampiroboroboana ny fikarohana ara-tontolo iainana. Ho fanamafisana ny fiarovana ny harena voajanahary no anton’izany, araka ny fanazavana, indrindra fa eo anatrehan’ireo fanamby toy ny doro ala, ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ary ireo loza maro mitatao amin’ny karazan-javaboary.

Lire la suite

Articles Similaires