Ireo fiovana ara-batana tsy ampoizina mety ateraky ny atidoha
Matetika isika mieritreritra fa avy amin’ny aretina, fomba fisakafoanana, fahanterana na olan’ny hormonina ihany no mety mahatonga fiovana eo amin’ny vatana. Marihana nefa fa afaka miteraka fiovana ara-batana ihany koa ny atidoha. Ny rarintsaina, ny fihetseham-po mafy, ny tahotra, ny tebiteby na ny tsy fahampiana torimaso dia mety hanova ny fomba fiasan’ny vatana, ary indraindray dia tena mahagaga ny vokatr’izany.
Mifandray akaiky ny atidoha sy ny vatana
Tsy ny fisainana, ny fitadidiana sy ny fihetseham-po ihany no fehezin’ny atidoha. Mandray anjara lehibe amin’ny fiasan’ny taova maro ihany koa izy, amin’ny alalan’ny rafi-pitatitra (système nerveux) sy ny hormonina.
Rehefa mahatsapa fihetseham-po mafy ny olona na miaina ao anatin’ny rarintsaina maharitra, dia afaka miteraka fiovana ara-batana ny atidoha. Amin’izay fotoana izay dia miomana hiatrika izay heveriny ho loza ny vatana, eny na dia tsy misy « danger » ara-batana eo noho eo aza.
Anisan’ny mitranga amin’izany ny famoahan’ny vatana hormonina toy ny « adrénaline » sy ny « cortisol ». Ankoatra izay dia misy ireo fiovana ara-batana mety hitranga toy ireto manaraka ireto.
Mety hitempo haingana kokoa ny fo
Ny tahotra tampoka, ny fihetseham-po mafy na ny krizin’ny tebiteby dia mety hampitempo haingana kokoa ny fo. Mety hahatsapa ny olona sasany hoe toy ny « mitempo mafy » na « misamboaravoara » ny fony.
Matetika izay dia vokatry ny fihetsika voajanaharin’ny vatana manoloana ny rarintsaina. Na izany aza dia tsara ny manatona mpitsabo raha miverimberina matetika na mafy ny fitempon’ny fo, indrindra raha miaraka amin’ny soritr’aretina toy ny fanaintainan’ny tratra, fahasemporana na fahatsapana ho torana.
Mety hitombo ny hatsembohana
Afaka mampihetsika ireo fihary mamokatra hatsembohana ihany koa ny atidoha rehefa mitebiteby, matahotra na sahirana ara-tsaina ny olona. Vokatr’izany dia mety ho tsemboka tampoka ny felatanana, ny tarehy na ny faritra sasany amin’ny vatana.
Matetika dia rehefa alohan’ny toe-javatra mampitebiteby no teny isehoan’izany, toy ny fanadinana, dinidinika amin’ny asa, fandraisam-pitenenana eo anatrehan’olona maro na toe-javatra izay mampitaintaina.
Mety hikorontana ny fandevonan-kanina
Mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny rafi-pandevonan-kanina ny adin-tsaina sy ny fihetseham-po. Mety hahatonga fanaintainan-kibo, maloiloy na fivalanana izany amin’ny olona sasany.
Amin’ny hafa kosa, ny adin-tsaina dia mety hampiadana ny fivezivezen’ny tsinay ka hiteraka fitohanana. Ny fifandraisana tsy tapaka eo amin’ny atidoha sy ny tsinay, amin’ny alalan’ny rafi-pitatitra sy ireo akora simika samihafa ao amin’ny vatana, no anton’izany.
Mety hihenjana ny hozatra
Rehefa mahatsikaritra toe-javatra mampitebiteby ny atidoha, dia mety hihenjana ho azy ny hozatra. Raha maharitra izany fihenjanana izany, dia mety hiteraka fanaintainana na fihinjirana, indrindra eo amin’ny hatoka, ny soroka ary ny lamosina.
Misy olona sasany ihany koa no mampikatroka na mampiady nify, indrindra mandritra ny torimaso, rehefa mandalo fotoan-tsarotra na adin-tsaina.
Mety hiteraka aretin’andoha
Ny adin-tsaina, ny havizanana ary ny fihenjanan’ny hozatra dia mety hampitombo ny aretin’andoha na hampitombo ny « migraine » eo amin’ny olona sasany.
Noho izany dia mety ho marary andoha matetika kokoa ny olona iray mandritra ny fotoan-tsarotra, na dia tsy nisy fiovana lehibe aza teo amin’ny sakafony na ny tontolo iainany.
Raha toa kosa ka tampoka be, tsy mahazatra na tena mafy tsy mbola nisy toy izany ny aretin’andoha, dia ilaina ny manatona mpitsabo haingana.
Mety hisy fiantraikany amin’ny hoditra
Tsy mijanona ho zavatra tsy hita maso foana ny fiantraikan’ny rarintsaina. Amin’ny olona sasany, dia mety hampitombo na hampiharatsy ny olana sasany amin’ny hoditra izy io, toy ny mony na mangidihidy.
Ny fotoan-tsarotra ara-tsaina dia mety hahatonga ny tarehy ho toa reraka na mivaloarika, indrindra raha miaraka amin’ny tsy fahampian-torimaso.
Mety hisy fiantraikany amin’ny volo
Ny rarintsaina na adin-tsaina mafy dia mety hiteraka fahapotehana mandalo amin’ny volo. Mety hiseho herinandro na volana maromaro aorian’ilay toe-javatra nahatonga ny adin-tsaina izany.
Matetika moa dia miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fanirin’ny volo rehefa mihena na afaka ilay rarintsaina. Raha be loatra na maharitra kosa ny fahapotehan’ny volo, dia tsara ny manatona mpitsabo mba hijerena raha misy antony hafa, toy ny tsy fahampian’ny otrikaina, olana amin’ny hormonina na aretina.
Mety mahatsapa fanaintainana tena izy ny vatana
Zava-dehibe ny fifandraisan’ny atidoha sy ny fanaintainana. Na dia tsy mahita olana na aretina mazava aza ny fitiliana dia mety tena hahatsapa mijaly sy manaintaina ny olona iray.
Ny atidoha no mandray sy mandika ireo famantarana avy amin’ny vatana, ary afaka mampitombo na mampihena ny hamafin’ny fanaintainana. Noho izany, ny adin-tsaina, ny tahotra na ny fifantohana be amin’ny fanaintainana dia mety hanova ny hamafin’ny fahatsapan’ny olona azy.




