Fifamoivoizana : Tapitra ny fepotoana fanesorana ireo jiro manjelatra ; efa mandeha ny fampiharana ny lalàna
Nomena 5 andro hanalana ireo jiro manjelatra LED na « Lampes Stroboscopiques » ny fiara sy ny kodiaran-droa rehetra. Tapitra ny faran’ny volana teo izany ka efa miditra amin’ny fampiharana ny lalàna amin’izay ny avy ao amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR).
Esorina avy hatrany ireo jiro tsy ara-dalàna
Nidina antsehatra avy hatrany ny avy ao amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia rehefa tapitra io fepotoana io. Rah ny hita teny an-dalana, ary nanamafy ireo tompon’andraikitra fa efa maro ireo nanara-dalàna sy naheno ny fampitam-baovao ka nanala izany jiro izany. Etsy ankilany dia mbola nisy ihany anefa ireo nitazona ireny karazana jiro ireny. Nampiharina avy hatrany ny sazy izay efa nambara mialoha, nandritra ny fotoam-panentanana. Izany dia ny fanalana avy hatrany ireo jiro, sy fanagiazana azy ireny. Izany no hatao, hoy ny fanazavana, dia ny mba tsy hiverenan’izy ireny hipetaka indray.
Nanamafy ireo tomponandraikitra fa tsy misy ny vola aloha mandritra ireny fisavana ireny. Raha ny fanazavana mantsy dia « tsy famoahambola sy fandraisambola eny an-tsehatra fa fampiharana ny sazy ».
Hisorohana ny lozam-pifamoivoizana
Nandritra ny fotoam-panentanana dia nampatsiahivina fa ireny jiro tsy manara-dalàna ireny dia mahatonga fahajambena ka mety hiteraka lozam-pifamoivoizana. Lalàna miisa 5 no novelabelarina tamin’izany, izay mamehy ny maha-zava-doza azy ireny. Izany indrindra no namerenana ny fampanjakana ireo lalàna ireo, mba hisorohana ny loza. Isan’ny fahalalam-pomba tokony hananana rahateo izany.
Amin’izao vanim-potoan’ny fialan-tsasatra izao rahateo dia maro ny fiara mifamezivezy ka mampiakatra ny fitandremana tokony ataon’ny tsirairay. Teny amin’ny RN2 sy RN7 moa no nidinana voalohany, ary hitohy amin’ireo lalam-pirenena maro hafa izany, mba hiarovana ny mpampiasa lalana rehetra. Manentana hatrany ny DGSR ny amin’ny fifanajana eny amin’ny lalana, mba hahafahana mampihena hatrany ny loza.




