Tambim-bidy karibônina : Vola 135 858 584 719 Ariary no azon’i Madagasikara, hositrahin’ny kaominina 210 isa
Any Morondava, Faritra Menabe, no ankalazana amin'ny fomba ofisialy ny andro maneran-tany telo ho fanomezan-danja ny tontolo iainana, izay haharitra roa andro. Nisongadina, nandritra ny fanokafana ny fankalazana, ny fanolorana ny vola tambim-bidy azon’i Madagasikara, vokatry ny ezaka atao amin’ny fangejana entona.
Andro maneran-tany ho fanomezan-danja ny tontolo iainana
Notanterahina tao Morondava, Faritra Menabe, omaly 28 jona 2026, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny Tontolo iainana (JME), ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Karazanjavamananaina (JIB) ary ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny fiangazanana sy ny haintany (JMDS). Haharitra roa andro ny hetsika, izay tarihin’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), ary atrehin'ny Filohan’ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaël ; ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny ; ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny.
Natomboka tamin’ny diabe "carnaval", namakivaky ny tanànan’i Morondava, ny fanamarihana ny hetsika, izay nandraisan’ireo tomponandraiki-panjakana, olom-pirenena ary mpiara-miombona antoka anjara. Niafara tao Nosikely, izay nanatanterahana ny lanonana fanokafana ireo hetsika rehetra, izany.
Ahazoana tombony ny fiarovana ny zavaboahary
Fotoana isan'ny nisongadina indrindra, nandritra ny lanonam-panokafana ireo fankalazana telo, ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo didim-panjakana miisa efatra momba ny fiforonan'ny valan-javaboary vaovao eto Madagasikara, dia i Sakaraha, Tsinjoarivo Ambalaomby, Bombetoka ary Ankarafobe. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanitarana ny faritra arovana eto amintsika izany. Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny mari-pankasitrahana, izay mariky ny nametrahan’ny UNESCO ho "tahirin-javaboahary" (réserve biosphère) ny faritra arovana Mantadia sy Tsimiembo, izay toerana manana ny lanjany manerana izao tontolo izao, amin’ny fananany harena voajanahary miavaka.
Ankoatra izay dia natolotry ny Fanjakana, tamin'ny alalan'ny taratasim-bola miisa 4, ny tambim-bidy karibônina ho an'ny kaominina miisa 119, mpitantana valanjavaboary miisa 5, faritra miisa 6 ary ireo vondron’olona ifotony. Noho ny famarotana karibônina 6,4 tapitrisa taonina, azo avy amin’ny tetikasa REDD+ mahakasika ny Atiala Atsinanana (PREAA), dia vola 135 858 584 719,19 Ariary no tambim-bidy karbônina, izay fandoavam-bola faharoa azon’i Madagasikara. Kaominina miisa 210 no hisitraka ny tombony amin’izany.
Fankalazana andro ho an’ny tontolo iainana telo
Raha tsiahivina dia ny 22 mey no akalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Karazanjavamananaina ; ny 5 jona no anamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny Tontolo iainana, ary ny 17 jona no ntokana ho Andro maneran-tany hiadiana amin’ny fiangazanana sy ny haintany (JMDS). Natambatra ho iray ireo fankalazana telo ireo, ho an’i Madagasikara, ho an’ity taona 2026 ity.
Ahitana tranoheva isan-karazany, mampiseho ny asa sy ny tetikasa samihafa tanterahin’ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara, any Nosikely, mandritra ireo roa andro anomezan-danja ny tontolo iainana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ireo hetsika fanentanana momba ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny harena voajanahary.




