Fahasalamana : Ireo aretina matetika afangaro amin’ny havizanana tsotra
Misy fotoana isika mety hahatsapa reraka sy mavesabesatra tsy toy ny mahazatra rehefa mifoha maraina, indrindra rehefa faran’ny herinandro iny. Lasa toa heverina ho ara-dalàna moa izany noho ny rotoro isan’andro. Marihana nefa fa misy fahasamihafana be ny harerahana mandalo sy ny havizanana mitarazoka izay tsy mety misinda na efa avy naka aina sy natory tsara aza. Mitetika izy io dia fambaran’aretina mila jerena akaiky. ‘Ndeha àry ho fantarina eto ireo aretina matetika afangaro amin’ny havizanana tsotra.
Ny tsy fahampiana rà (Anémie)
Ny « anémie » na tsy fahampiana rà no isan’ireo antony matetika mahatonga ny havizanana mitarazoka, indrindra eo amin’ny vehivavy noho ny fadimbolana na ny fitondrana vohoka. Ny tsy fahampiana rà (anémie), matetika izay vokatry ny tsy fahampiana « fer » ao anaty vatana, dia midika fa tsy ampy ny selan-drà mena mpitondra « oxygène » mankany amin’ireo taova manan-danja. Noho izany, lasa miasa mafy mihoatra ny tokony ho izy ny fo mba hanonerana izany tsy fahampiana izany.
Misy ireo famantarana tokony araha-maso : Sempotsempotra na dia manao zavatra tsy tokony andreraka be(ohatra hoe miakatra tohatra), hatsatra ny lokon’ny hoditra na ny hohon-tanana, ary matetika mangatsiaka foana ny tongotra sy ny tanana. Mety ho fanina ihany koa indraindray.
Ny fikorontanan'ny « thyroïde » (Hypothyroïdie)
Ny « thyroïde » dia « glande » kely ao amin'ny tenda. Izy io no mpandrindra ny fiasan'ny taova rehetra ao anaty vatana (métabolisme). Rehefa lasa mihisatra ny fiasan’izy io (hypothyroïdie), dia miadana tanteraka ny fiasan'ny vatana manontolo, toy ny finday rehefa lany « charge » ka miditra amin'ny "mode économie d'énergie".
Ankoatra ny havizanana be vao maraina dia misy ireo famantarana hafa mila jerena, toy ny hoe lasa matavy nefa tsy misakafo be, mora mangatsiaka na dia mafanaza aza ny andro, maina ny hoditra ary lasa malomaloka sy toa ketraka lava.
Ny diabeta sokajy faha-2
Raha tsy voatantana tsara ny siramamy ao anaty rà dia lasa tsy tafiditra ao amin’ireo sela mila azy ho solika izany siramamy izany fa miangona fotsiny ao anaty rà. Vokatr’izany dia lasa tsy mahazo hery ny sela, ary lasa reraka tanteraka ny vatana manontolo. Misoko mangina moa ny diabeta sokajy faharoa-2 ka mety tsy ho tsikaritra mandritra ny taona maro.
Anisan’ireo famantarana tokony hanosika hanatona mpitsabo ny havizanana tsy hay azavaina ny antony, ny fahatsapana mangetaheta lava, te hipipy matetika indrindra amin’ny alina, noana be tampoka, manjavozavo ny maso.
Ny fahaketrahana miafina (Dépression masquée)
Tsy ny vatana ihany no voakasiky ny havizanana fa mety hahavoa ny saina ihany koa izany. Indraindray ny harerahana ara-tsaina na ny fihenan’ny « productivité » vokatry ny fahatsapana havizanana no isan’ireo famantarana voalohan’ny fahaketrahana (dépression). Alohan’ny hitrangan’ny alahelo lalina ao am-po dia ny vatana no miteny voalohany amin’ny alalan’ny havizanana tafahoatra.
Isan’ireo famantarana tokony hanaitra ny fahaverezan’ny risi-po hanao ireo zavatra nahafinaritra teo aloha, ny fahatsapana mikorontana sy mavesatra ny saina, mora tezitra amin’ny zavatra kely, ny fikorontanan’ny torimaso sy ny fahazotoan-komana (tsy te hihinana na te hihinana foana).
Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo ?
Tsy midika akory fa tsy maintsy misy aretina ambadika foana ny fahatsapana vizaka rehefa mifoha maraina. Misy ihany nefa ireo fambara tokony handrisika hanatona mpitsabo raha toa ka mitarazoka ny havizanana :
-Maharitra roa na telo herinandro mahery ny havizanana, nefa efa niezaka natory sy niala sasatra tsara,
-Manelingelina amin'ny fiainana andavanandro ilay harerahana (tsy afaka miasa tsara, tsy manana hery hikarakarana tokantrano, sns).
-Misy fambara hafa miaraka aminy toy ny fahaverezan-danja tampoka, manavy, na misy fanaintainana amin'ny faritry ny vatana.




