Inona no atao rehefa tsentsina ny oron’ny zazakely amin’ny alina ?
Matetika tsentsina ny oron’ny zazakely, indrindra amin’ireo volana voalohany nahaterahany. Satria moa mbola amin’ny orona izy no tena miaina dia mety hanelingelina ny torimasony sy ny fisotrony ronono io fahatsentsenana ao amin’ny orony io. Ireto manaraka ireto ary misy fomba tsotra afaka manampy ny zazakely hifoka rivotra tsara kokoa.
Inona no antony mahatonga ny oron’ny zazakely ho tsentsina ?
Maro ireo antony mety mahatonga ny oron’ny zazakely ho tsentsina, indrindra rehefa amin’ny alina :
-sery na aretina vokatry ny viriosy ;
-rivotra maina loatra ao an-trano ;
-loto sy lelo miangona ;
-« allergie » na zavatra « irritants » toy ny setroka sy vovoka.
Satria moa sady kely no tery ny lalan-drivotra ao amin’ny oron’ny zaza, ka na lelo kely aza dia efa mety hanakana na hanembatsembana ny fifohana rivotra.
Ireo fomba hanampiana ny zaza amin’ny alina
Rehefa tsentsina ny oron’ny zazakely amin’ny alina dia ireto manaraka ireto no fomba tsotra hanampiana azy hiaina tsara kokoa :
Diovina amin’ny « sérum physiologique » ny orony
Io no fomba aroson’ny mpitsabo hanadiovana mora sy haingana ny oron’ny zazakely. Toy izao no fanaovana azy :
-Ampandriana mitsivalana amin’ny ilany ny zaza ;
-Atsifitra moramora ao amin’ny vavorona ambony ny « sérum physiologique »;
-Avela hivoaka ho azy ny loto sy ny leo ;
-Averenina atao amin’ny vavorona ilany.
Tsara raha rehafa alohan’ny hatory sy alohan’ny hisotroany ronono no anaovana azy io.
Mampiasa “mouche-bébé” raha ilaina
Rehefa avy nasiana « sérum physiologique » ny oron’ny zaza dia azo ampiasaina ny fitaovana fanalana lelo mba hanesorana izay mbola tavela. Atao moramora anefa mba tsy handratra ny orony.
Atao madio sy mando tsara ny rivotra ao an’efitrano fatoriana
Ny rivotra maina loatra ao amin’ny efitrano fatorian’ny zaza dia mety hampitombo ny fahatsentsenana ao amin’ny orony. Ireto misy torohevitra hanadiovana sy hanamdoana ny rivotra :
-sokafana isan’andro ny varavarankely hampidirana rivotra ;
-tazomina eo amin’ny 18 ka hatramin’ny 20°C ny hafanan’ny efitra ;
-mampiasa « humidificateur » madio raha maina be ny rivotra. Raha tsy misy dia mampangotraka rano anaty vilany misarona. Avy eo sokafana ao amin’ny efitrano ilay vilany mba hivoaka ny entona ary hanamando ny rivotra ;
-tsy atao misy setro-tsigara na fofona mahery ao an-trano.
Asandratra kely ny lohan’ny zaza
Marina fa tsy tokony mbola mampiasa ondana ny zaza mbola kely. Raha tsentsina ny orony amin’ny alina dia asiana lamba kely ambanin’ny kidorony, eo amin’ny faritry ny loha mba hanampy azy hifoka rivotra mora kokoa.
Ny zavatra tsy tokony hatao
Misy ihany koa ireo zavatra tsy tokony hatao rehefa tsentsina ny oron’ny zaza amin’ny alina :
-mampiasa « huile ssentielle » raha tsy nahazo alalana avy amin’ny dokotera ;
-manome fanafody sery natao ho an’ny olon-dehibe ;
-mitroka ny orony amin’ny vava satria mety vao mainka hamindra mikraoba aminy ;
-mampatory azy miohoka mba hoe hahazo aina kokoa.
Rahoviana no tokony hitondra azy any amin’ny dokotera ?
Tokony hijery mpitsabo haingana raha :
-manavy ny zaza ;
-sahirana miaina ;
-tsy mety minono na misotro ronono ;
-malemy na rendremana be ;
-mikohaka mafy ;
-mangana ny molony ;
-latsaky ny telo volana nefa marary mafy.
Mila fitandremana manokana foana ny fahasahiranana miaina amin’ny zaza madinika.




