• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cyclop Sécurité
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fomba sy fahazarana mampidi-doza amin’ny fampiasana « prise électrique »

05/05/2026 14:33 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra tena ampiasaintsika sy ilaintsika amin’ny fiainana andavanandro ny herinandro. Matetika nefa dia tsy dia tsapantsika loatra ny loza mety aterany. Misy fahazarana sasany toa tsotra sy mahazatra, nefa mety hiteraka voka-dratsy lehibe raha tsy mitandrina. Ireto misy fanazavana misimisy kokoa momba ireo fomba ratsy sy fahazarana mampidi-doza amin’ny fampiasana « prise électrique » mila hialana.

Mameno be loatra ny « prise » iray

Rehefa ampifandraisina amin’ny « prise » iray ny fitaovana maro, indrindra ireo mandany herinaratra betsaka toy ny fatana « électrique », vata fampangatsiahana na fera fipasohana, dia mety hihoatra ny herin’ny « courant » zakan’ilay « prise ». Izany dia miteraka hafanana be ao amin’ny tariby sy ny « prise », ka mety hiteraka fahasimban’ny fitaovana na afo mihitsy. Tsara kokoa ny mizara tsara ny fitaovana amin’ny « prises » samihafa mba hisorohana izany.

Mampiasa « multiprise » tsy manara-penitra

Matetika ny « multiprise » (prise multiple) mora vidy na tsy manana marika fiarovana dia tsy ampy kalitao. Tsy mahazaka fitaovana mavesatra maharitra izy ireny ary mety tsy manana fiarovana amin’ny “surtension”. Midika izany fa raha misy fiakaran’ny herinaratra tampoka dia mety ho simba ny fitaovana na hiteraka loza hafa. Aleo misafidy « multiprise » tsara kalitao na voamarina, eny na dia somary lafolafo aza izy ireny.

Mikasika « prise » na manatsatoka zavatra eo aminy amin’ny tanana lena

Ny rano dia mampitombo be ny fivezivezen’ny herinaratra ao amin’ny vatana. Raha mikasika « prise » amin’ny tanana lena dia mora miditra ao amin’ny vatana ny « courant » ka mety hiteraka « électrocution » mahery na fahafatesana mihintsy aza. Zava-dehibe ny manamainana tsara ny tanana alohan’ny hikasihana fitaovana « électrique », indrindra eny amin’ny toerana misy rano. Tsy adinoina ihany koa ny manao kapa na kiraro.

Misintona ny tariby rehefa manala ny « prise »

Maro ny manana fahazarana misintona ny tariby (câble) fa tsy mitazona ny lohan’ny « fiche » rehefa manala « prise ». Ny fanaovana izany nefa dia mety hanapaka ny tariby ao anatiny. Tsy hita maso avy hatrany izany fahasimbana izany, nefa mety hitarika « court-circuit » rehefa mandeha ny fotoana. Tokony tazomina hatrany ny lohan’ny « prise » rehefa manala azy.

Mampiasa « prise » na tariby simba

Tsy azo atao tsirambina ny « prise » vaky, triatra na ny tariby rovitra satria mety hampidi-doza izany. Ireo faritra simba ireo dia mety hamoaka herinaratra na hamorona pitik’afo, indrindra rehefa misy fikasihana na fikitihana. Tokony hosoloina avy hatrany ireo fitaovana simba fa tsy andramana amboarina amin’ny fomba vonjimaika.
Mamela fitaovana mitsatoka amin’ny « prise » nefa tsy ampiasaina
Na dia tsy ampiasaina aza ny fitaovana, toy ny fahitalavitra na « chargeur », dia mbola mandany herinaratra rehefa mitsatoka amin’ny « prise ». Izany no antsoina hoe “consommation fantôme”, ary mety hiteraka hafanana miangona ao amin’ny « prise » rehefa ela. Ankoatra ny fandaniana vola dia mety hampitombo ihany koa ny loza raha misy tsy fetezana tampoka.

Mametraka « prise » akaikin’ny rano tsy misy fiarovana

Ny toerana mando toy ny efitra fandroana sy lakozia dia mila fitandremana manokana. Raha tsy misy fiarovana toy ny « prise » manokana na « cache de protection », dia mety hifandray mora amin’ny rano ny herinaratra. Izany dia mampitombo ny mety hisian’ny « électrocution » na hoe may ny « courant » hoy isika. Tokony fitaovana manara-penitra sy natao ho an’ny toerana mando no ampiasaina.

Tsy miraharaha ny fitaovana fiarovana

Ny « disjoncteur » sy ny fitaovana fiarovana hafa dia natao hiaro amin’ny loza. Ohatra, ny « disjoncteur différentiel » dia afaka manapaka avy hatrany ny « courant » raha misy fivoahana herinaratra tsy ara-dalàna. Raha tsy misy ireo fitaovana ireo na tsy mandeha tsara, dia mitombo ny « risques » amin’ny loza lehibe.

Lire la suite

Articles Similaires