• Cours de change
  • 5285.77 AR
  • |
  • $4557.17 AR
Copyright Image : © Thesouthafrican
Image
Vaovao

Mpox : Takatra 199 ny tranga eto Madagasikara, hatramin'ny datin'ny 10 janoary

11/01/2026 20:56 © Moov

Tafakatra 199 ireo tranga hita, ka olona 23 no voamarina fa voan'ny Nendran-drajako ary 176 ireo olona ahiana ho voakasik'izany valan'aretina izany.

Tsy mitsaha-mitombo ny trangana Mpox na nendran-drajako eto Madagasikara. Raha 20 no olona nitondra ny tsimok'aretina ny 9 janoary, nisy tranga voamarina 3 vaovao ny 10 janoary : 2 hita tany Antsirabe ary ny iray tany Mandoto.

Aretina mora miparitaka

Virus CLAD 1B no misy eto Madagasikara, ka ny fifampikasohana akaiky amin'ny olona marary no tena mampifindra azy. Raha firaisana ara-nofo no nifindrany, mety hanomboka any amin'ny manodidina ny taovam-pananahana ny tasy na atodin-tarina. Mety hisy mangidihidy na marary ihany koa any amin'ny lavaka famoahana maloto. Koa satria tsy voatery hanavy be ilay marary, mety hamindra amin'olona maro ny tenany.
Araka izany, entanina ny rehetra mba hampihena ny fifampikasohana amin'ny hafa (fifampiarahabana amin'ny oroka na fifandraisan-tanana na fifamihinana). Tsara ihany koa ny manantona toeram-pitsaboana raha toa mahatsikaritra tasy na mibotsimbotsina na atodin-tarina amin'ny faritra rehetra amin'ny vatana. "Aza manafina aretina, indrindra raha any amin'ny toerana manahirana sao lasa mpamosavy malemy ka mandripaka ny ao an-trano sy ny manodidina", araka ny hafatry ny mpitondratenin'ny Ministeran'ny Fahasalamana, Pr RANDRIA Mamy Jean de Dieu.
Ho an'ny eto Antananarivo, eny amin'ny Hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka ny foibe fandraisana an-tanana ireo olona ahiana na voamarina fa tratran'ny Nendran-drajako. Misy fandraisana an-tanana ihany koa eny amin'ny Hopitalin'Anosy Avaratra, ho an'ireo any Avaradrano sy ny manodidina. Ho an'ireo any amin'ny faritra hafa, entanina ny fiantsoana ny laharana maitso 901, hahazoana torolalana.

Fanamarina ara-pahasalamana

Mihamaro ireo firenena manamafy ny fiarovana ara-pahasalamana, indrindra manoloana ireo mpivahiny avy eto Madagasikara. Ho an'ireo mila "Certificat médical" noho ny dia any ivelany na antony samihafa, maromaro ny toerana azo antonina. Ho an'Antananarivo, ny Institut d'Hygiène Social Analakely na ny Service Maladie infectueuse eny amin'ny CHU Befelatanana no miandraikitra izany. Azo atao ihany koa ny manantona ny Hopitalim-panjakana rehetra manerana ny Nosy (Service Dermatologique/ Service de Médecine Interne/ Service Pédiatrique).

Lire la suite

Articles Similaires