• Cours de change
  • 5294.82 AR
  • |
  • $4563.56 AR
Copyright Image : © Le Big Data
Image
Fahalalana Ankapobeny

Torohevitra hisorohana ny fisolokiana an-tserasera sy ara-bola

06/01/2026 15:25 © Moov.Mg

Mihamaro ankehitriny ireo trangana fisolokiana an-tserasera sy ara-bola eny amin’ny fiarahamonina eny. Mety ho tratr’izany avokoa ny olona rehetra, na tanora na lehibe, na ny an-tanan-dehibe na ny any ambanivohitra. Zava-dehibe ny mahafantatra ireny karazana fisolokiana sy ny fomba atao hiarovan-tena. Araho eto ny andinindininy tsara fantatra.

Inona no atao hoe fisolokiana ?

Ny fisolokiana dia fomba fitaka ampiasain’ny olona sasany mba hangalarana vola na « informations » manokana, toy ny laharan-kaonty na kaody miafina. Matetika izy ireny dia tanterahin’ireo olon-dratsy amin’ny alalan’ny antso an-tariby, SMS, na hafatra amin’ny tambajotra sosialy.

Inona avy ireo karazana fisolokiana an-tserasera fahita matetika ?

Tsy mitsaha-mivoatra ny teknolojia ary efa miroborobo tokoa moa izany eto amintsika. Mivoatra manarak’izany ihany koa ireo karazana fomba fisolokiana ataon’ireo olon-dratsy ary efa betsaka ireo mampiasa ireo karazana fantsona ara-tserasera amin’ny fanatanterahana izany asa ratsiny izany. Anisan’ireo fisolokiana ara-tserasera fahita matetika ny :
-Antso na SMS sandoka. Misy olona mila ho avy amin’ny banky, orinasa mpandraharaha, na tompon’andraikitra iray ;
-Hafatra maika na mampanahy. Lazaina fa voasakana ny kaonty na misy olana mila vahana maika ;
-Fandresena sandoka. Lazaina fa nahazo loka na vola, nefa mila mila mandoa vola na manome « informations » manokana aloha ;
-Rohy mampidi-doza. Rohy alefa amin’ny SMS na Facebook na WhatsApp izay mitondra any amin’ny pejy sandoka.

Ahoana ny fomba atao hiarovan-tena ?

Mba hiarovan-tena amin’ireo karazana fisolokiana an-tserasera dia :
-Fadiana ny manome ny kaody miafina, PIN, na laharan’ny karatra banky na Mobile Money ;
-Fadiana ny manindry rohy mampiahiahy, indrindra raha tsy fantra tsara izay nandefa azy ;
-Hamarinina hatrany amin’ny alalan’ny antso mivantana ny banky na ny orinasa mandefa hafatra na fanamarinana amin’ny tena ;
-Tsy mahazo maimaika. Ny mpisoloky dia mampiasa fampitahorana sy fahamaizana ;
-Tehirizina ho tsiambaratelo ny kaody miafina rehetra ary ovaina matetika ;
-Tsy mahatokitoky ireo karazana SMS sy antso an-tariby milaza fa nahazo vola na loka nefa tsy nandray anjara amina lalao na hetsika tokony hahazoana izany.

Lire la suite

Articles Similaires