Ady amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza : zazavavy maherin’ny 1.756.000 isa no nisitraka ny vaksiny anti-HPV
Ny 77,52% amin'ireo zazavavy nokendrena no nisitraka ny vaksiny miady amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza, araka ny tatitry ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Notanterahina niaraka tamin’ny fanaovana ny vaksiny anti-HPV ihany koa ny fanaovana vaksiny hiadiana amin’ny kitrotro.
Vaksiny anti-HPV maimaim-poana
Sambany no nanatanterahana hetsika fanaovam-baksiny faobe miady amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza, na anti-HPV, manerana an’i Madagasikara. Ny 18 hatramin’ny 12 desambra 2025 lasa teo no nanatontosana izany, ka ireo zazavavy 9 hatramin’ny 14 taona manerana ny Nosy no nokendrena tamin’izany. Araka ny tatitra navoakan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka omaly 2 janoary 2026 dia zazavavy miisa 1.756.164, izany hoe : ny 77,52% amin'ny isan'ny nokendrena, no nisitraka ity fanaovam-baksiny ity.
Dingana lehibe iray, amin’ny ady amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza iny vita iny, fa hanohy ny asa fanaraha-maso sy ny ny fampidirana ity vaksiny ity ao anatin'ny vaksiny fanao andavanandro ny governemanta malagasy, amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, araka ny voalaza ao anatin’ny tatitra. Taorian’iny hetsika faobe iny dia ireo zazavavy 9 taona no hisitraka ny vaksiny anti-HPV. Ho maimam-poana foana izany eny anivon’ireo tobim-pahasalamana miankina amin'ny Fanjakana sy eny amin'ireo tobim-pahasalamana tsy miankina fa mahazo vaksiny avy amin'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Aretina kitrotro miverimberina
Niaraka tamin’ity hetsika faobe fanaovana ny vaksiny anti-HPV ity ihany koa no nanatanterahana ny fanaovam-baksiny miaro amin'ny kitrotro, ho an'ny zaza rehetra 6 volana ka hatramin'ny 23 volana, sy ho an’ireo zaza 24 volana ka hatramin'ny 59 volana izay mbola tsy nanao vaksiny miaro amin'ny kitrotro mihitsy. Zaza eo anelanelan’ny 6 ka hatramin'ny 24 volana miisa 1.164.817 no nisitraka ny vaksiny VAR, nandritra ny hetsika. Miverimberina foana ny aretina kitrotro isaky ny 3 na 4 taona eto Madagasikara, satria ambany ny taham-pahavitrihan’ny Malagasy mitondra ireo zaza hatao ireo vaksiny mahazatra. Vokatr’izany dia lasa ambany ny fiarovana iombonana (immunité collective), hoy ny fanazavan’ny fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny fanaovam-baksiny (DPEV) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka. Mitohy hatrany, noho izany, ny ezaka hanamafisana ny fiarovana ny zaza, mba hampihenana ny fiparitahan'ity aretina mora mifindra ity.
Ankoatra ny fanaovam-baksiny moa, dia nisy ihany koa, nandritra ny hetsika, ny fizarana vitamina A, ho an'ireo zaza 6 volana ka hatramin'ny 59 volana, mbola tsy nisitraka izany tao anatin'ny enim-bolana farany.


